Sorona Masina ny Asabotsy 26 septambra 2026

Herinandro faha-25 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Bokin'ny Mpitoriteny

Mpitor. 11, 9 — 12, 8

Tsarovy ny Mpahary anao amin'ny fahatanoranao, dieny mbola tsy mivarina amin'ny tany ny vovoka, ary ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra.

Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora; aoka hahazo firavoravoana amin'ny fonao ianao amin'ny andron'ny fahatanoranao! Mandehana any amin'izay lalan'ny fonao, sy araka izay fijerin'ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan'Andriamanitra anao hotsaraina. Esory ao am-ponao ny alahelo, ary halaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana am-pahamaitsovolo.

Tsarovy ny Mpahary anao, amin'ny andron'ny fahatanoranao, dieny mbola tsy tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe: “Tsy sitrako izao”; dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana, ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian'ny orana, amin'ny andro angovitan'ny mpiandry trano, ikainkonan'ny lehilahy matanjaka, iatoan'ny ankizivavy mitoto, fa mihavitsy isa; ihamaizinan'ireo mitazana eo am-baravarankely, ikatonan'ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalam-be, raha mihamalemy ny feon'ny vato fikosoham-bary, izay itsanganan'ny olona mandre ny feon'ny voron-kely, sy ahalasanan'ny ankizivavy mpihira rehetra. Amin'izay atahoran'ny olona ny eny amin'ny fitoerana avo, izay ivadihan'ny olona fo eny an-dalam-be, amin'izay amonian'ny amandie, sy ahatongavan'ny valala ho mavesatra ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin'ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany; dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamboho volamena, mbola tsy vaky ny siny eny an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano; dieny mbola tsy miverina amin'ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra izay nanome azy. Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 89, 3-4. 5-6. 12-13. 14 sy 17

Fiv.: Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin'ny mandrakizay.

Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao. Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra. Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina, toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry, manipelana maraina, vaky vony sy mijoro, fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay; atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena. Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava: mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro. Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo, hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.

Aleloia. Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 9, 44b-45

Tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan'ny olona ny Zanak'Olona.

Tamin'izany andro izany, raha ilay mbola gaga tamin'izay rehetra nataon'i Jesoa iny ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: “Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan'ny olona ny Zanak'Olona.” Fa tsy azon'izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin'izany izy.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018