Sorona Masina ny Alahady 06 septambra 2026
ALAHADY FAHA-23 mandavantaona — A
NY KRISTIANINA TSY MIFAMPIJERY ARINA AN-TAVA
Tononkira fidirana
Sal. 118, 137, 124
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Bokin’i Ezekiela Mpaminany
Ez. 33, 7-9
Raha tsy niteny hananatra ny ratsy fanahy ianao, dia hadiniko aminao ny rany.
Izao no lazain’ny Tompo: “Ianao, ry zanak’olona no efa notendreko ho mpitily, ho an’ny taranak’i Israely, ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao, dia hanaitra azy amin’ny Anarako. Raha niteny Aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe: ‘Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy’, ka tsy miteny ianao hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, hialany amin’ny lalany, fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany, dia ho faty ao amin’ny helony izy, fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 94, 1-2. 6-7
Fiv.: Raha mba mihaino ny feon’ny Tompo ianareo anio, aza manamafy ny fonareo.
Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika; andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin’antsa.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika. Fa izy no Andriamanitsika; — isika kosa, vahoakany, ondry eo an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra, tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana, raha naka fanahy Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asako aza.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma
Rôm. 13, 8-10
Ny fitiavana no fahatanterahan’ny Lalàna.
Ry kristianina havana, aoka tsy hisy hanan-trosa, aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny Lalàna. Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio
Mt. 18, 15-20
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha diso taminao ny namanao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny namanao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho”.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, hivavaka no mahatafavory antsika mianakavy izao; ary i Jesoa Kristy dia nampanantena fa ho eo ampovoan’izay mivory amin’ny Anarany; koa akambano ny fitalahoantsika aminy, ho an’ny Eglizy manontolo sy ho an’izao tontolo izao.
Valy: Tompo ô, tongava eo anivon’ny vahoakanao.
* Raha hitan’ny olona fa mifankatia sy mifamela heloka ny kristianina, dia hirohotra hanatona azy ny olona ho anisan’ny fianakaviany; koa mivavaha mba ho tanteraky ny Eglizy izany ohatra tsara izany.
* Misy vahoaka sy olona sasany iray tanindrazana mifankahala sy miady; koa mivavaha ho azy mba hahatsapany ny voka-dratsin’izany, sy hahaizany mifandrindra fihavanana.
* Mivavaha ho an’ny fianakaviantsika sy ny tanàna misy antsika; ka enga anie ny fialonana sy ny adiady, ny endrikendrika sy ny fifanaratsiana, mba hiova ho fifankahazoana sy firaisan-kina tanteraka.
* Maro ny mpivady mifanandrina lava ao an-tokantrano, maro koa no efa misaraka: koa mivavaha mba hanana herim-po hitandro ny haja aman-kasin’ny fanambadiany izy ireny, ka hahay mifamela sy mifampody, ary mangataha mba hitahian’Andriamanitra ny zanak’izy ireny maratra fo tsy fidiny noho izany.
* Italahoy Andriamanitra mba hampiray fo amam-panahy antsika lalandava ny fiarahantsika mivavaka sy ny fifankatiavantsika ary ny fiezahantsika hifamela heloka.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.
Tompo ô, teo amin’ny fijaliana faran’izay mangidy indrindra Ianao no namela heloka an’ireo namono Anao; koa omeo hery izahay mba hahay hamitram-pihavanana amin’izay tafasaraka aminay.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao Avo Indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto, sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra, na Fampihavanana (2)
Kômonio
Sal. 41, 2-3
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
na hoe:
Jo. 8, 12
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

