Sorona Masina ny Alahady 14 jona 2026
ALAHADY FAHA-11 mandavantaona — A
IANAREO NO FANJAKA-MPISORONA
Tononkira fidirana
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay; ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra, ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao, mba hifanaraka amin’ny sitra-ponao na ny hevitray na ny asanay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky Eksaody
Eks. 19, 2-6a
Ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.
Tamin’izany andro izany, nony tonga tany amin’ny efitr’i Sinaia ny zanak’i Israely, dia nitoby tao an’efitra; tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely. Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe: “Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely: Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery ary ny nitarihako anareo ho aty amiko. Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo sy mitandrina ny fanekeko, dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra, fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 99, 2. 3. 5.
Fiv.: Isika no vahoaka sy ondry fiandriny.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.
Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany!
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma
Rôm. 5, 6-11
Fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao.
Ry kristianina havana, fony mbola tsy nanankery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy, mba hamonjy ny ratsy fanahy. Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny hatezerana mihitsy. Satria raha fony mbola fahavalo aza isika nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio
Mt. 9, 36 - 10, 8
Niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy.
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.” Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy, ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tômà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade, Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay hirahin’i Jesoa rehefa nohafatrafarany hoe: “Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: ‘Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra’. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.”
— Izany àry ny teniony Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, henontsika fa nifidy Apôstôly i Jesoa ary naniraka azy hitory ny Evanjely; efa roa arivo taona izao no nitondrana ny tenin’Andriamanitra eran-tany; koa mivavaha mba handaitra amin’ny olona ankehitriny ny Evanjely.
Valy: Maro ny vokatra Tompo ô, fa ny mpijinja no vitsy;
Aniraho mpijinja re ny taninao fa maro ny vokatra.
* Mivavaha ho an’ireo Eveka mba ho hitan’ny olona rehetra fa dimbin’ny Apôstôly izy, amin’ny fampianarany sy ny fikolokoloany ny vahoakan’Andriamanitra.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra ara-nofo, mba hahatsiarovany fa irak’Andriamanitra eo anivon’ny mpiara-belona izy, mba hikarakara ny vahoaka araka ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany.
* Mivavaha ho an’ny marary sy ny mijaly rehetra mba hankahery azy sy hampiseho ny fitiavan’Andriamanitra azy, ireo mifanerasera aminy, indrindra fa ny kristianina.
* Mangataha amin’ny Tompo mba hisy hofidiny ho apôstôly mafana fo sy mahafoy tena eto amin’ny fiangonantsika, hirahiny hanao ny raharaha masina.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Tompo ô, tsy mitsahatra mifidy olona Ianao hanohy ny asa nankininao tamin’ny Apôstôly, koa tsinjovy ny Eglizinao amin’izao andro sarotra izao; ary omeo hery ireo voaantso hahatontosa ny nanirahanao azy.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Andriamanitra ô, ireto fanatitra atolotra ireto, no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.
Kômonio
Ny zavatra angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainako.
na hoe:
Jo. 17, 11
Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika, hoy ny Tompo.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao; ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

