Sorona Masina ny Alahady 10 mey 2026
ALAHADY FAHA-6 - Taona A fankalazana ny Paka
NY FANAHY MASINA NO MANOHY NY ASAN’I KRISTY
Lokon’akanjo: fotsy
Tononkira fidirana
Iz. 48, 20
Teny mahafaly no torio, ary ataovy antso avo. Aelezo hatrany am-paravazan-tany izao: Nanafaka ny vahoakany ny Tompo. Aleloia!
Asiana VONINAHITRA ANIE ...
Fangatahana
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, enga anie izahay tsy hitsaha-mankalaza ireo androm-pifaliana anomezam-boninahitra an’i Kristy Tompo tafatsangan-ko velona; ary ny Paka mistery tsarovanay mandavantaona anie, hoentinay manamasina ny fiainanay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly
Asa 8, 5-8. 14-17
Nametrahany tanana izy ireo ka nandray ny Fanahy Masina.
Tamin’izany andro izany, i Filipo Diakra, dia nidina tany an-tanànan’i Samaria, ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao. Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany! Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria, dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany. Nony tonga tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina; satria vita Batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza. Dia nametrahany tanana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andramanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20.
Fiv.: Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.
Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo; antsao ny Anarany be voninahitra. Ataovy mafy ny antso fideràna Azy: Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.
Miankohoka aminao ny tany tontolo sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao! Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona.
Ny ranomasina novàny ho tanety, nandehanana tongotra ny ony. Koa aoka isika hifaly aminy. Ny heriny manapaka mandrakizay.
Tongava ianareo matahotra ny Tompo, hitantaràko izay nataony tamiko. Hisaorana anie Andriamanitra: Ny fitiavany tsy nalàny tamiko.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly
1 Pi. 3, 15-18
Novonoina tamin’ny nofo i Kristy fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ry hava-malala, i Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana, an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy. Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy. Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
Jo. 14, 15-21
Hangataka amin’ny Raiko Aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany, ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy. Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo Aho. Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo. Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, ifandafarana fampianarana maro ny eto an-tany ankehitriny, nefa ny Fanahin’Andriamanitra ihany no afaka tena hanazava ny sain’ny olombelona. Koa angataho mba handrotsahany ny fahendreny ny olona amin’izao andro izao ary hampiraisiny fo, izay rehetra mitady Azy.
Valy: Fenoy ny fitiavanao ‘zahay, ry Tompo.
* Ny Fanahy Masina no mitondra ny Eglizy, koa mangataha mba hihaino Azy hatrany ny mpitondra sy ny entina, ary tsy hisalasala hanatanteraka izay atorony.
* Ireo Firenena mikambana dia maniry hampanjaka ny fandriam-pahalemana eran-tany: koa mangataha mba hahazo ny fahazavan’ny Fanahy Masina mandrakariva ireo tompon’andraikitra ary ho vonona hihaino sy hanaraka Azy.
* Mivavaha ho an’izay rehetra mijaly: ny kamboty, ny mananontena, ny antitra, ny mpigadra, ny enjehina, ny marary, mba hahazo ny fanomezan’ny Fanahy Masina izy hankahery azy.
* Angataho amin’Andriamanitra mba tsy ho fihaonantsika indray andro fotsiny izao Sorona Masina izao, fa ho fampiraisana ny fontsika hifankatia sy hiray ao amin’ny Tompo lalandava.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Ry Jesoa Tomponay ô, Ianao nampanantena ny Fanahy Masina ary nampidina Azy tamin’ny Apôstôly; koa mba androtsahy ny Fanahy Masina koa izahay, ary ataovy manaraka izay atorony anay sy atorony an’izao tontolo izao.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Ny vavakay anie, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin’ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy : Paka.
Kômonio
Jo. 14, 15-16
Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko hoy ny Tompo. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray haniraka Mpiaro hafa ho anareo, mba hiaraka aminareo mandrakizay. Aleloia!
Vavaka aorian’ny Kômonio
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan’i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan’ny Paka ary hamafiso ao am-ponay ny herin’ny Mofo mahavelona.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

