Sorona Masina ny Talata 06 janoary 2026

Herinandro manaraka ny Epifania

TALATA

Tononkira fidirana

Salamo 117, 26-27


Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay tonga etý amintsika, fa Andriamanitra mpanazava antsika ny Tompo.


Fangatahana

Andriamanitra ô, nitafy nofo tahaka anay ny Zanakao Lahitokana; mitovy aminay Izy eto ivelany, ka enga anie hitovy aminy izahay ao anaty.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 4, 7-10


Andriamanitra dia fitiavana.

Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahitokana ho eo amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8


Fiv.: Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenen-drehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô! mba tolory ny andriana mpanapaka sy ny zanak’andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Ka ny vohitra hitrotro fiadanana, ny havoana hivimbina ny hitsiny; ny mahantra sy ny ory hotsimbininy, ny mpamoritra kosa hofongorana.
Amin’ny androny hamony ny rariny, ary mandra-pahafatin’ny volana; ranomasina no ho sisin-taniny, ary ny ony no ho valam-parihiny.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 34-44


Teo am-pampitomboana ny mofo dia niseho ho toy ny mpaminany i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Ny tany efitra; ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.” Fa izao no navaliny azy ireo: “Omeonareo hanina izy.” Ka hoy ireo taminy: “Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny?” Ary hoy Izy taminy: “Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.” Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: “Mofo dimy sy hazandrano roa.” Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo; ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo. Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano. Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitra atolotray vahoakanao, ka izay ambaranay entanim-pinoana sy fitiavana anie mba ho azonay amin’izao Sorona masina izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo; na ny Nisehoany


Kômonio

Efez. 2, 4 ; Rôm. 8, 3

Fatra-pitia antsika Andriamanitra ka naniraka ny Zanany haka nofo hitovy amintsika vesaram-pahotana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Sakramenta noraisinay no ifandraisanao aminay; koa tanteraho ao am-ponay ny vokatr’izany Sakramenta izany, ary ny fahasoavana nomenao anie hahatonga anay ho mpanomponao lavorary.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0108