Sorona Masina ny Asabotsy 03 janoary 2026

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

3 JANOARY

 

Mialoha ny Nisehoan’ny Tompo. Raha aoriany dia jereo Herinandro manaraka ny Epifania

 

Tononkira fidirana

Salamo 117, 26-27

 

Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay tonga etý amintsika, fa Andriamanitra mpanazava antsika ny Tompo.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, sitrakao ho naterak’ilay Virjiny masina tamim-pomba mahagaga ny Zanakao; ka tsy voan’ny halemena rehetra mpanjo ny olombelona; mihanta aminao izahay efa natsangana ho olom-baovao, mba ho afaka amin’ny loton’ny fahotana mahazatra anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 2, 29 — 3, 6

 

Izay rehetra mitoetra ao amin’Andriamanitra dia tsy manota.

Ry malala, raha fantatrareo fa marina Andriamanitra, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany naterany. Endrey itý haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika amin’ny iantsoana antsika hoe: zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy. Izay rehetra manota dia mandika ny lalàna, satria ny ota dia fandikana ny lalàna. Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy. Izay rehetra mitoetra ao aminy, dia tsy mba manota; ary izay manota dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 97, 1. 3de-4. 5-6

 

Fiv.: Zahao, ry vazan-tany rehetra ny vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo fa mahagaga ny zava-bitany, fa ny tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny.
He zahao e, ry vazan-tany, izato Vonjin’Andriamanitra. O, ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana.
Ndao antsao amim-baliha ny Tompo, anaovy antsa sy fihobiana. Feon’antsiva sy anjomara, enti-midera ny fiandrianany.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 29-34

 

Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.

Nony nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany Batista dia nanao hoe: “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra; indro ilay manala ny fahotan’ny olona. Izy ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. Ary izaho tsy nahalala Azy, fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano.” Ary nilaza marina i Joany nanao hoe: “Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao Batemy amin’ny Fanahy Masina. Ary nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Aoka ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitra atolotray vahoakanao, ka izay ambaranay entanim-pinoana sy fitiavana anie mba ho azonay amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo

 

Kômonio

Ef. 2, 4 ; Rôm. 8, 3

Fatra-pitia antsika Andriamanitra ka naniraka ny Zanany haka nofo hitovy amintsika vesaram-pahotana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Sakramenta noraisinay no ifandraisanao aminay, koa tanteraho ao am-ponay ny vokatr’izany Sakramenta izany, ary ny fahasoavana nomenao anie hahatonga anay ho mpanomponao lavorary.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0135