Sorona Masina ny Alahady 28 desambra 2025

Alahady aorian’ny nahaterahan’ny Tompo na ny 30 desambra

NY FIANAKAVIANA MASINA

FIANAKAVIANA MIFANKATIA, LANITRA ETY AN-TANY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Lk. 2, 16

Lasa nidodododo ny mpiandry ondry, ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely, mandry amin’ny fihinanam-bilona.

 

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mora fo ô, nomenao hotahafinay ny ohatra tsara namiratra tao amin’ny Fianakaviana Masina; koa rehefa maka tahaka ny hatsaram-panahy rehetra fehezin’ny fitiavana tao an-tokantranony izahay, dia enga anie mba ho faly sy ho finaritra mandray ny valisoa mandrakizay any an-tranonao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’ny zanak’i Siràka

Ekleziastika 3, 2-6, 12-14

Manaja ny ray aman-dreniny izay matahotra ny Tompo.

Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy; ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy. Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany; ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny. Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany; ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy. Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny. Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao, ary aza mampalahelo azy ny andro iainany. Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy, ary aza manatsinontsinona azy, rehefa be indrindra ny tanjakao. Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy; ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 127, 1. 2. 3. 4-5.

 

Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao: hasambarana moa ny anao!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra eo anivon-tranonao; ny zanako solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany: hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy

Kôl. 3, 12-21

 

Toy izao ny fiainan’ny mpianakavy eo anatrehan’ny Tompo.

Ry kristianina havana, olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amampandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka ihany koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy, izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny salamo aman-kira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy fo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 2, 13-15.19-23

Ento ny Zazakely sy ny Reniny ary mandosira any Ejipta

Nony lasa ny Majy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: “Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any mandrapilazako aminao indray, fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina, dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny Mpaminany hoe: “Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. ” Ary rehefa maty i Herôda, indro nisy Anjelin’ny Tompo, niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny, ka modia any amin’ny tanin’i Israely, fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”. Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely. Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy. Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: Fa hatao hoe Nazareanina Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

 

Amin’izao andro ankalazantsika ny fiainan’i Jesoa tao amin’ny fianakaviany izao, dia mivavaha ho an’ny fianakaviantsika tsirairay, ary ho an’ny fianakaviam-ben’ny olombelona, mba ho feno fitiavana sy fifanajana ary fahamarinana ny fianakaviana rehetra.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Ny Eglizy no irîn’Andriamanitra ho fianakaviana hidiran’ny olombelona rehetra, koa mivavaha mba hiray hina sy hifankatia ny kristianina rehetra, izay natao ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao.
* Mivavaha mba hifampitondra toy ny mpianaka sy mpiray tam-po ny mpitondra rehetra sy ny entina, ka ho fianakaviam-be iray ny vahoaka rehetra eto an-tany, hifanampy sy hifanasoa marina tokoa.
* Itambesarana adidy lehibe sy mafy ny raim-pianakaviana amin’ny famelomana ny zanany sy izay hahasoa azy, koa mivavaha hananany herim-po, tahaka an’i Masindahy Jôsefa nitondra an’i Jesoa Zazakely nandositra tany Ejipta sy niahy ny Fianakaviana Masina tao Nazareta.
* Maro ny fianakaviana ho tafavory amin’izao taombaovao izao mba hifanolotra arahaba sy fanomezana, koa mivavaha ho an’ireo tsy mba manan-kavana, na vahiny an-tanin’olona, mahatsiaro fa singany irery amin’ny andro toy izao.
* Nanaraka tamin-kerim-po izay nolazain’ny Anjely taminy i Masindahy Jôsefa, ka nieren-doza ny fianakaviany ary tanteraka izay voalazan’ny Mpaminany ny amin’i Jesoa, koa mivavaha mba ho haintsika ny mihaino ny feon’Andriamanitra sy manaraka izay atorony.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nifidy fianakaviana Ianao, hiainana sy hitiavana ary hizarana hasambarana; koa ataovy mba mahita fianakaviana hatramin’ny fahakely ny olona rehetra, na mba ho afaka hanorina fianakaviana: hahasambatra azy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Atolotray Anao, ry Tompo, ity Sorona fifonana ity; ary mivavaka ho anay Ilay Virjiny Renin’Andriamanitra sy i Masindahy Jôsefa, koa mitalaho an-tanan-droa aminao izahay: enga anie ny fianakavianay mba hiorina mafy ao amin’ny fahasoavanao sy ny fiadananao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny nahaterahan’ny Tompo.

 

Kômonio

Bar. 3, 38

Niseho teto an-tany ny Andriamanitsika ary niara-nonina tamin’ny olombelona.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny Kômonio masina izahay, ry Ray tsara fo indrindra, ka ataovy maka tahaka lalandava ny toe-piainan’ny Fianakaviana Masina; ary rehefa tapitra ny fahoriana ety an-tany, dia enga anie izahay hiombona hasambarana aminy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0069