Sorona Masina ny Zoma 21 novambra 2025
Herinandro faha-33 mandavantaona
ZOMA
Tononkira fidirana
Jer. 29, 11. 12. 14
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Fangatahana
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Makabeo
1 Makab. 4, 36-37. 52-59
Nitokanana ny ôtely, ary an-kafaliana no nanaterana ny sorona dorana.
Tamin'izany andro izany, hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny: “Efa resy itý ny fahavalontsika, ka ndeha amin'izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.” Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna. Dia nifoha maraina koa izy, tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana fahasivy, izay volana atao hoe Kasleo, tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, ka nanatitra sorona, araka ny lalàna teo ambonin'ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.
Setriny
Salamo: 1 Tant. 29, 10-11a. 11bde. 12
Fiv.: Midera ny Anaranao be voninahitra izahay, ry Tompo.
Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr'i Israely Razanay: hatramin'ny mandrakizay ka ho mandrakizay! Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery, sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra: na ny any an-danitra na ny eto an-tany! Anao, ry Tompo, ny fanjakana, sy ny fisandratana ho lohan'ny zava-drehetra!
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao! Ianao no mifehy ny zava-drehetra! An-tananao ny hery sy ny tanjaka! Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 19, 45-48
Ataonareo zohin'ny mpangalatra ny tranon'Andriamanitra.
Tamin'izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: “Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin'ny mpangalatra.” Dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan'izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 72, 28
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

