Sorona Masina ny Alatsinainy 27 oktobra 2025
Herinandro faha-30 mandavantaona
ALATSINAINY
Tononkira fidirana
Sal. 105, 3-4
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.
Fangatahana
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Vakinteny voalohany
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma
Rôm. 8, 12-17
Fanahim-pananganan-janaka no noraisinareo, ka iantsoantsika hoe Abà! Ray!
Ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo; satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray! Ary ny tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21
Fiv.: Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika.
Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra, mifaly, miravo sy mirobiroby.
Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra ao amin’ny toerany masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena, mamoaka ny babo voagadra.
Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro:
ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 13, 10-17
Itý zanakavavin’i Abrahama itý ve tsy tokony hovahana ny fatorany amin’ny andro Sabata?
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata, ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony hatramin’ny valo ambin’ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, afaka ny aretinao.” Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin’izay, sy nankalaza an’Andriamanitra. Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro Sabata.” Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: “Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin’ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia Sabata aza ny andro? Ary itý zanakavavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata?” Tamin’izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 19, 6
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.
na hoe:
Ef. 5, 2
Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.