Sorona Masina ny Zoma 04 jolay 2025

Herinandro faha-13 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 46, 2

 

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Amôsy 8, 4-6. 9-12

 

Hanirahako hanoanana amin’ny tany, tsy mba hanoanana amin’ny mofo fa faniriana te-handre ny tenin’ny Tompo.

Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany, izay manao hoe: “Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna hatao mandainga, hamitahana. Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary lohakororoka?” Amin’izany andro izany, izao no hitranga, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra —: Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara. Ny fetinareo hampodîko ho fisaonana; ny hira fifalianareo ho fitomaniana; ny andilanareo rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy. Indro tamy ny andro, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra, — hanirahako hanoanana amin’ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny Tenin’ny Tompo. Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo, hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana; hivezivezy atsý sy arý, hitady ny tenin’ny Tompo, nefa tsy hahita izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 2 sy 10. 20 sy 30. 40 sy 131.

 

Fiv.: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny, sy mitady Azy amin’ny fony tontolo. Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho, koa aza avela handao ny baikonao.
Ny fanahiko torotoro maniry ny Satanao lalandava. Ny lalan’ny fahamarinana no nofidìko. Ny Satanao tsy hadinoiko.
Indro manina ny lahatrao aho: koa velomy amin’ny fahamarinanao. Misokatra ny vavako; miemponempona aho: ny baikonao no mahaliana ahy.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 23, 1-4. 19 ; 24, 1-8. 62-67

 

Tia an-dRebekà tokoa i Isaaka ka nionona ny alahelony an-dreniny.

Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany. Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy. Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty, ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe: “Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.” Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà, tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana. Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Abrahama sady nosoavin’ny Tompo tamin’ny zavatra rehetra. Ary hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nikarakara ny fananany rehetra: “Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao, hampianianako anao amin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanakavavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao, fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako no halehanao haka vady ho an’i Isaaka zanako.” Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony: “Angamba tsy hety hiaraka amiko hankatý amin’itý tany itý ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?” Hoy i Abrahama taminy: “Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako. Ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko, sy tany amin’ny tany nahaterahako, izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: ‘Homeko ny taranakao itý tany itý’, dia Izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao. Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao; fa aza entina mankany ny zanako.” Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kaï-Roy ka nonina teo amin’ny tany Atsimo. Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy, ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy. I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva; ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: “Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry?” Dia hoy ilay mpanompo: “Ny tompoko iny.” Koa dia noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’itý mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony. Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5.

 

Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny hatsaram-pony. Iza no hahalaza ny Asa maherin’ny Tompo? Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?
Sambatra izay mitandrina ny rariny, sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra! Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin’ny famonjenao izahay: te-hahita ny hasambaran’ny Voafidinao, sy hifaly amin’ny fifalian’ny firenenao! Eny, izahay te-hiravo miaraka amin’ny Lovanao.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 9-13

 

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: “Andeha hanaraka Ahy ianao.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?” Fa hoy i Jesoa nandre izany: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

 

na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081