Sorona Masina ny Alatsinainy 26 mey 2025
Herinandro faha-6 — Fankalazana ny Paka
ALATSINAINY
Tononkira fidirana
Rôm. 6, 9
Efa nitsangan-ko velona i Kristy ka tsy ho faty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Aleloia!
Fangatahana
Mba rotsahy fahasoavana izahay, ry Andriamanitra be indrafo, ka enga anie ny fankalazana ny Paka isan-taona hahazoanay voka-tsoa mandrakariva.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly
Asa 16, 11-15
Nosokafan’Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain’i Paoly.
Ary niondrana an-tsambo tany Trôasy izahay, ka nizotra nankany Sômôtrasy, ary ny ampitso dia nankany Neapôlisy. Nony niala teo izahay dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’izany faritanin’i Masedônia izany, sy zanatany rômanina. Nampianatra andro vitsivitsy tamin’izany tanàna izany izahay. Ary tamin’ny andro sabata, dia nivoaka teo ivelan’ny vavahady izahay, ka nankeny amoron’ny ony, fa nataonay ho any no toerana fivavahana; nipetraka teo izahay, dia niresaka tamin’ny vehivavy izay tafavory teo. Nisy vehivavy anankiray tamin’izy ireo atao hoe Lidia mpivaro-jaky, avy any an-tanàna Tiatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra; nihaino anay izy, ary nosokafan’Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain’i Paoly. Ary rahefa vita batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: “Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.” Nanaovany lemozy mihitsy izahay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Fiv.: Sitraky ny Tompo ny vahoakany.
Ihirao hira vao ny Tompo. Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy. I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory.
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an’Andriamanitra, no Voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
Jo. 15, 26 — 16, 4
Ny Fanahin’ny fahamarinana no hanambara Ahy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, na ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo. Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo. Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra. Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho. Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-kafaliana; fa Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Jo. 20, 19
Nijoro teo am-povoan’ny mpianany i Jesoa nanao tamin’izy ireo hoe: «Homba anareo anie ny fiadanana.» Aleloia!
Vavaka aorian’ny Kômonio
Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lò ho enim- boninahitra mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.