Sorona Masina ny Alahady 11 mey 2025
ALAHADY FAHA-4 – Taona D fankalazana ny Paka
I JESOA, MPIANDRY ONDRY TSARA
Lokon’akanjo: fotsy
Tononkira fidirana
Sal. 32, 5-6
Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia manerana ny tany; ny lanitra no vita, dia ny tenin’ny Tompo. Aleloia!
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba tantano izahay hiombon-kafaliana amin’ny lanitra; ka enga anie izahay andian’ondrinao osa sy malemy, hiaraka handresy amin’Ilay Mpiandry anay.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly
Asa 13, 14. 43-52
Indro hankany amin’ny Jentily izahay.
Tamin’izany andro izany, i Paoly sy i Barnabe dia niala tany Perja, ka tonga tany Antiôkia any Pisidia; ary niditra tao amin’ny Sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo. Rehefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny prôzelita nanompo an’Andriamanitra, no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa, niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Tamin’ny sabata manaraka, dia saika tafangona nihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy. Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: “Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra, nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin’ny Jentily izahay. Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay: Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianao, mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany”. Faly ny Jentily nony nandre izany ka nankalaza ny tenin’ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo. Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny. Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo, dia lasa nankany Ikôniôma; ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 99, 2. 3. 5.
Fiv: Isika vahoakany sy ondry eo an-tanany.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo, tompoy an-kafaliana ny Tompo; tongava anoloany amin-karavoana, ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao ka Azy isika, vahoaka sy ondry eo an-tanany.
Idiro amin-tsaotra ny vavahadiny, idiro amin-dera ireo kianjany. Derao Izy, isaory ny Anarany.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly
Apôk. 7, 9. 14b-17
Ny Zanak’ondry Izay manjaka no hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina.
Izaho, Joany, nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. Ary hoy ny iray tamin’ireo Anti-dahy tamiko: “Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy nampadio ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry. Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny, ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa. Fa ny Zanak’ondry, Izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
Jo. 10, 27-30
Homeko ny fiainana mandrakizay ny ondriko.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe: “Izaho no Mpiandry ondry tsara”. Ary dia niteny koa Izy nanao hoe: “Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Andron’ny Tompo, Ilay mitonona hoe Mpiandry ondry tsara anio, koa akambano ny vavaka ataontsika mba halaky ho andian’ondry tokana handrasan’i Kristy ilay Mpiandry ondry tokana, izao tontolo izao.
Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.
* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba ho tena mpiandry ondry tsara sahala amin’i Kristy izy, hahalala ny ondriny sy ho fantany koa.
* Mivavaha ho an’ny manam-pahefana rehetra, mba ho mpiandry ondry tsara koa izy, hahita ny soa hatao ary hahafoy tena tokoa.
* Ny mahantra, ny madinika, ny tsy manana asa, ireo tsy misy mpijery: samy mitady mpiandry ondry hikolokolo azy, koa mivavaha mba hahitany mpiandry ondry tsara.
* Mivavaha mba ho maro mpandimby i Md. Paoly sy i Barnabe amin’izao androntsika izao, hitory ny Evanjely sy ny hasambarana, amin’izay rehetra mbola tsy mahalala an’i Kristy.
* Mivavaha ho an’ny Relijiozy isan-tokony mba hanaitra sy hahatarika ny tanora ny ohatra tsara omeny amin’ny fiainany; ary mangataha ho an’ireo miomana ho pretra na ho relijiozy mba handrosoany amin’ny fiainana lavorary, hanarahany an’i Kristy, Ilay niantso azy.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Ry Tompo Mpiandry ondry tsara ô, Ianao no miandraikitra ny olombelona rehetra, ka omeo mpitondra hendry sy mahafoy tena izao tontolo izao, ary omeo mpiandry ondry mahiratra sy mahery fo ny Eglizinao.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao, ka hitohy hatrany eo aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Paka
Kômonio
Nitsangan-ko velona Ilay Mpiandry ondry tsara izay namoy ny ainy ho an’ny ondriny ary maty ho an’ny andian’ondriny. Aleloia.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Jereo amin’ny fo tony izahay andian’ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin’ny Ra masin’ny Zanakao, mba omeo toerana soa aman-tsara, any an-tanim-bilonao mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.