Sorona Masina ny Alakamisy 01 mey 2025
Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka
ALAKAMISY
Tononkira fidirana
Salamo 67, 8-9. 20
Andriamanitra ô, fony Ianao nanainga nitarika ny vahoakanao ka namboatra ny lalan-kodiaviny ary tsy nisaraka taminy, dia nihovitra ny tany, niempo ny Lanitra. Aleloia!
Fangatahana
Mba rotsahy fahasoavana izahay, ry Andriamanitra be indrafo, ka enga anie ny fankalazana ny Paka isan-taona hahazoanay voka-tsoa mandrakariva.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly
Asa 5, 27-33
Ary izahay sy ny Fanahy Masina no vavolombelon’izany zavatra izany.
Tamin’izany andro izany, nentin’ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny namany ny Apôstôly, ka napetrany tao amin’ny Sanedrina, sy nadinin’ny lehiben’ny mpisorona hoe: “Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray no tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.” Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: “Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona. Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelen-keloka an’i Israely. Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy no vavolombelon’izany zavatra izany.” Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin’ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 33, 2 sy 9. 17-18. 19-20
Fiv.: Itý ory: velona antso, ka novalian’ny Tompo.
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra, eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo: sambatra ny olona mifefy aminy.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo: ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina. Na maro fahoriana aza ny olo-marina, dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
Jo. 3, 31-36
Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany teo am-pelatanany ny zavatra rehetra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: “Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etý an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra; ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Ny vavakay anie, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin’ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Mt. 28, 20
Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. Aleloia!
Vavaka aorian’ny Kômonio
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan’i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan’ny Paka, ary hamafiso ao am-ponay ny herin’ny mofo mahavelona.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.