Sorona Masina ny Asabotsy 05 aprily 2025
Karemy — Herinandro faha-4
SABOTSY
Tononkira fidirana
Salamo 17, 5-7
Nohodidinin’ny tolokon’ny fahafatesana aho ary toa efa nofenjain’ny fahoriana tany amin’ny fonenan’ny maty, sady tao anatin’ny fijaliana no niantso ny Tompo; ka henony tany an-tranony masina ny feoko.
Fangatahana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ny Fonao antra hitarika ny fonay ho tia Anao, satria raha tsy Ianao tsy ho afaka hanao izay mahafaly Anao izahay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Bokin’i Jeremia Mpaminany
Jer. 11, 18-20
Izaho hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina.
I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe: “Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala; nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo! Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: ‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo! Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy, ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’ Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika; mamantatra ny soa sy ny fo Izy. Ka hahita ny famalianao azy ireo aho, fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 7, 2-3. 9bd-10, 11-12.
Fiv.: Ry Tompo Andriamanitro ô, Ianao no ifefeko.
Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko. Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho: ndrao izy ho toy ny liona mandrotika, mamiravira tsy misy mirombaka.
Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo, sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo. Valio ny haratsian’ireo ratsy; ny olo-marina kosa ajoroy ry Mpandinika ny fo sy ny saina, ry Andriamanitra marina.
Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra, ilay Mpamonjy ny mahitsy fo. Andriamanitra Mpitsara marina, tsy mba mitezitra isan’andro.
Fihobiana ny Evanjely
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
Jo. 7, 40-53
Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tamin’izany andro izany, nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: “Itý tokoa no Ilay Mpaminany”; ny sasany nanao hoe: “Itý no Kristy”; fa hoy kosa ny sasany: “Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy? Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida no hiavian’i Kristy?” Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka. Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy; saingy tsy nisy sahy nitàna Azy. Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila, ka nilazan’ireo hoe: “Ahoana no tsy nitondranareo Azy?” Fa hoy ny navalin’ny miaramila: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.” Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo: “Ianareo koa angaha voasolokiny? Jereo ange raha mba misy loholona na Farisianina iray akory nino Azy? Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny.” Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo, no nanao taminy hoe: “Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony?” Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: “Ianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.” Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: mba raiso amin’ny fo antra ireto fanatitray, ary na fatra-pandà aza ny sitra-ponay, dia amindrao fo ka tariho ho tody any aminao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
1 Pier. 1, 19
Ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema no nanavotana antsika.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Handio anay anie, ry Tompo, izao Kômonio masina izao ary handaitra amin’ny fonay, ka handavorary ny ho sitrakao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.