Sorona Masina ny Alahady 23 martsa 2025
ALAHADY FAHATELO - Taona D KAREMY
MIBEBAHA, MIOVA TOETRA, FA NY TAREHY RATSY NO TSY AZO OVANA
Lokon’akanjo: volomparasy
Tononkira fidirana
Sal. 24, 15-16
Ny masoko any amin’ny Tompo lalandava: Izy no manala ny tongotro amin’ny harato. Mba todiho aho, iantrao, fa honjohonjoko izaho irery mahantra.
Fangatahana
Ry Andriamanitra fototr’izay mety ho famindram-po sy fitiavana rehetra, nasehonao fa fanafody amin’ny fahotana ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fiantrana; koa jereo amin’ny fo antra izahay mpanota tsy mendrika, ary enga anie izahay aondriky ny eritreritray ankehitriny mba hoarenin’ny famindram-ponao lalandava.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky Eksaody
Eks. 3, 1-8a. 13-15
Ilay Misy no maniraka ahy ho aty aminareo
Tamin’izany andro izany i Môizy dia niandry ny biby fiompin’i Jetrô rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany an-tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, izy. Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo. Hitan’i Môizy fa indro mirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. Ka hoy i Môizy: “Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy maha-levona ny zava-maniry milobolobo”. Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: “Ry Môizy! ry Môizy!” Ka hoy ny valiny: “Inty aho”. Dia hoy Andriamanitra: “Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io”. Ary hoy koa Izy: “Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba”. Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy. Ary hoy ny Tompo hoe: “Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fantatro ny fijaliany. Ka hidina Aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejipsianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany onenan’ny Kananeanina. Koa mandehana ianao amin’izao, irahiko ho any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako. Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: “Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, hilaza aminy hoe: irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?” Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: “Izaho no Ilay misy. Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo”. Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: “Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Ny Tompo, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no naniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 102, 1-2. 3-4. 6-7. 8 sy 11
Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.
na: Tsarovy izahay, fa be indrafo Ianao.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko: ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra, sy manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny hady, manototra fitiavana sy indrafo anao.
Ny Tompo mpanome rariny: izay ampahoriana omeny hitsiny. I Môizy nanehoany ireo fikasàny; ny zanak’i Israely, ireo asany ambony.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tahaka ny lanitra mambomba ny tany, ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty
1 Kôr. 10, 1-6. 10-12
Nosoratana ny fiainan’ny vahoaka niaraka tamin’i Môizy tany an’efitra, mba ho fananarana antsika.
Ry kristianina havana: tsy tiako tsy ho fantatrareo, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra; ary natao batemy tamin’i Môizy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra; hanina ara-panahy iray ihany no nohanin’ny rehetra; ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany. Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.
Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika, mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan’ireny, ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny. Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao. Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara, hitandrina sao lavo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 13, 1-9
Raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Tamin’izany andro izany, nisy olona tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina, fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe: “Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany? Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”. Dia nanao ity fanoharana ity koa Izy: “Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanimboalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita. Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanimboalobony: “Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho, nefa tsy nahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?” Ary hoy ny mpiasa namaly azy: “Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, efa manakaiky ny Paka, ka mba ho vonona handray ny fahasoavana ny fontsika dia aoka homanina amin’ny fivalozana; koa ataovy mafana noho ny amin’ny andro hafa ny vavaka ataontsika izao.
Valy: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, fa nanota taminao izahay.
* Ampitomboin’ny Eglizy amin’izao Karemy izao ny fitaomana ny olombelona hanatona an’Andriamanitra; koa mivavaha ho an’ireo mpitory teny sy ireo mpampikônfesy ary ireo olon-dehibe miomana amin’ny Batemy.
* Mivavaha ho an’ny mpitsara rehetra sy ireo mampilamina adin’olona, mba hamindran’Andriamanitra amin’ny faharetany sy ny halemem-panahiny ary ny famindram-pony izy, ka ho vonona kokoa hamela heloka toy izay hanasazy.
* Mivavaha ho an’ireo antitra sy ireo afoin’ny havany ary ireo manirery, mba hahita fo antra hikarakara azy ny ory rehetra, ka hampitodika azy any amin’Andriamanitra
* Melohin’i Jesoa ao amin’ny Evanjely androany ireo milaza fa sazy mivantana amin’izay mpanota be ny fijaliana mihatra, koa mivavaha mba tsy hisy hifampitsaratsara foana toy izany isika, fa hifampitaona hibebaka!
* Mety hilaza isika hoe tsy ilaina na tsy mahavokatra ny tenantsika, rehefa mandinika ny fiainantsika sy ny fiezahantsika, koa mivavaha mba hamelona ny fanantenantsika izao fiomanana amin’ny Paka izao.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Tompo ô, ataovy matoky izahay fa avelanao heloka rehefa mifona, na eo aza ny halemenay sy ny hadisoanay, mba hanananay herim-po hizotra amin’ny lalana anarahanay dia Anao.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Hampitony Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao, ka enga anie izahay mitalaho famelan-keloka mba hiezaka hamela heloka ny namanay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay, Amen.
Prefasy:
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay: Ilay nampitsimoka ny finoana tao am-pon’ilay vehivavy samaritanina nangatahany rano hosotroina, ary nahatonga azy hangetaheta ny finoana, mba handrehitra ny fitiavana an’Andriamanitra ao am-pony.
Izahay koa mankasitraka Anao ary miaraka amin’ny Anjely mankalaza ny herinao manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Kômonio
Jo. 4, 13-14
Na iza na iza misotro amin’ny rano homeko azy dia hahazo loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Nahazo ny antoky ny harena mandrakizay mbola miafina izahay, ry Tompo, ary nihinana ny mofo avy any an-danitra na ety an-tany aza; koa mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie ho tanteraka tokoa amin’ny toe-piainanay, izay afafin’ny Sakramenta ao am-ponay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.