ALAHADY FAHA-8 mandavantaona — D
NY TENY LAZAINA NO AMANTARANA NY FO
Tononkira fidirana
Sal. 17, 19-20
Mitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahory aho, nafahany satria tiany!
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry feizay sy hizotra araka ny lahatrao; ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Bokin’i Siràka Ekleziastika
Ekl. 27, 4-7
Aza midera olona alohan’ny nitenenany.
Amin’ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan’ny faikany betsaka; amin’ny tenin’ny olona koa, no isehoan’ny kilemany. Ny memy no fizahan-toetra ny sinin’ny mpanao tanimanga; ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona. Ny voan’ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany; toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon’ny olombelona. Aza midera olona alohan’ny nitenenany, fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 91, 3. 5; 13-14; 15-16
Fiv.: Tsara ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Tsara ny mitory ny fitiavanao vao maraina sy ny fahamarinanao raha alina: amin-tory folo sy valiha, amin-kalo arahin-dokanga.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry, misandratra avo toa sederan’i Libàna; ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry, an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra, milenodenoka, be ranon-kazo: ka maneho fa mahitsy ny Tompo; ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty
1 Kôr. 15, 54-58
Andriamanitra manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ry kristianina havana, rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana. Hisaorana anie Andriamanitra, Izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa amin’izany, ry havako malalako, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 6, 39-45
Ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe: “Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, tokony ho hazo tsara mamoa voa tsara isika kristianina, irak’Andriamanitra ho vavolombelony eo amin’izao tontolo izao, ka hitondra hasambarana eo amin’ny olona rehetra isan-tsokajiny.
Valy: Jesoa, Jesoa, ny herin’ny teninao anie hanova ny fiainanay.
* Mivavaha ho an’ny kristianina rehetra mba hitsara tena sy ho feno an’i Kristy ka hanana rakitra soa avy aminy, hizarana hasambarana amin’ny olombelona.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra vahoaka rehetra isan-tsokajiny eran-tany, mba tsy hisy jamba mitarika jamba, fa mba hanaraka an’i Kristy Mpampianatra, sy hanatona Azy Fahazavan’izao tontolo izao.
* Maro ny mijaly eo amin’izao tontolo izao, koa mangataha mba ho tena vokatry ny ao am-po, fa tsy ho kobaka am-bava na volana hatenda, ny teny mamy sy ny asa fanasoavana atao hatraiza hatraiza.
* Isika kristianina iray fiangonana, mangataha mba hiara-miasa amin’i Kristy, toa an-dry i Masindahy Paoly, hanafaka ny geja rehetra; ary mangataha mba tsy ho raraka an-tany na ho very maina ny ezaka rehetra atao.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Jesoa Tompo ô, ny herinao dia efa nandresenao ny ratsy rehetra mangeja anay, hatramin’ny fahafatesana, koa omeo amin’ny herinao izahay mba tsy ho kivy toy ny olona tsy manana fanantenana, fa ny herinao no ho herinay.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao, mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.
Kômonio
Sal. 12, 6
Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Ave indrindra.
na hoe:
Mt. 28, 20
Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny, hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.