Sorona Masina ny Asabotsy 01 martsa 2025
Herinandro faha-7 mandavantaona
SABOTSY
Tononkira fidirana
Sal. 12, 6
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Fangatahana
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Vakinteny voalohany - Taona ankasa
Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly
Jak. 5, 13-20
Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
Ry kristianina havana, misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo. Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary; hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany. Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po. I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana; ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. Ry kristianina havana, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy, dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 140, 1-2. 3 sy 8
Fiv.: Ny fivavahako anie hisondrotra toy ny emboka manitra anoloanao.
Tompo ô! miantso Anao aho! faingàna ho eto amiko! Henoy ny feoko, fa miantso Anao aho! Ny fivavahako anie hisandratra toy ny emboka manitra anoloanao!
Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo! Arovy ny varavaran’ny molotro! Fa izaho kosa, ry Tompo, miandra any aminao! Ianao no ifefeko aza afoy ny fanahiko!
Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa
Bokin’i Siraka
Eklesiastika 17, 1-13
Nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona.
Nataon’Andriamanitra tamin’ny tany ny olombelona, ary asainy hiverina amin’ny tany izy. Andro voaisa sy fotoa-manam-petra no naraikiny ho an’ny olombelona, ary nomeny fahefana amin’ny zavatra etý an-tany izy. Nomeny hery araka ny toetrany izy, ary nataony mitovy endrika aminy. Nasiany fahatahorana Azy ny nofo rehetra, ary nomeny fanjakana amin’ny biby amam-borona izy. Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso, sofina sy fo hihevitra. Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy; ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy. Nataony tao ampon’izy ireo ny masony, hanehoany amin’izy ireo, ny halehiben’ny asany mba hiderany ny Anarany masina, amin’ny fitoriany ny zava-mahagaga amin’ny asany. Nomeny azy ireo koa ny fahaizana, ary nampanana azy ny lalàn’ny fiainana Izy. Nanao fanekena mandrakizay tamin’izy ireo Izy, ary nanambara ny didiny taminy. Ny mason’izy ireo nibanjina ny famirapiratan’ny voninahiny; ny sofiny nandre ny fikarantsan’ny feony mahatalanjona. Ary izao no nolazainy taminy: “Mitandrema tena ianareo amin’ny tsy fahamarinana rehetra”; dia samy nomeny didy ny amin’ny namana avy izy ireo. Eo anatrehany mandrakariva ny lalan’izy ireo; tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 102, 13-14. 15-16. 17-18a.
Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany, no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy! Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika: tsarovy tokoa fa vovoka isika.
Ny olombelona ve? Toy ny ahitra ny androny; mba mamony toy ny vonin-javatra eny an-tsaha: kanjo tonga ny rivotra, dia tsy misy intsony, tsy fantatry ny toerany intsony!
Fa ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy sy amin’ny dimbin’ireo, amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 10, 13-16
Na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any.
Tamin’izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: “Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.” Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 9, 2-3
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
na hoe :
Jo. 11, 27
Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.