Sorona Masina ny Zoma 28 febroary 2025
Herinandro faha-7 mandavantaona
ZOMA
Tononkira fidirana
Sal. 12, 6
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Fangatahana
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Vakinteny voalohany - Taona ankasa
Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly
Jak. 5, 9-12
Indro efa eo am-baravarana anie ny mpitsara.
Ry Kristianina havana, aza mifampimonomonona, fandrao dia helohina ianareo. Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara! Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra, ry kristianina, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana. Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan’i Jôba; ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra. Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havana, dia aza mianiana akory, na amin’ny lanitra na amin’ny tany, na amin’ny Zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 11-12
Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsy mba lalandava no ifandaharany, na mandrakizay no irehetan’ny Fony.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana, no analavirany amintsika ny hadisoantsika.
Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa
Bokin’i Siràka
Eklesiastika 6, 5-17
Tsy misy soa hoatra ny sakaiza mahatoky.
Ny teny mora, mahamaro sakaiza, ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana. Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao, nefa iray monja amin’arivo no ilao hevitra. Raha te-hahazo sakaiza ianao, fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy, fa aza malaky matoky azy foana. Satria misy sakaiza manao an’androny, fa hihataka izy amin’ny andro mahory anao; misy sakaiza ho tonga fahavalo, ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra. Misy, sakaiza raha hiara-komana aminao, fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao. Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao, ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao. Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy, ary hiery anao. Halavito ny fahavalonao, ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao. Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery, ka nahita rakitra izay nahita azy. Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky; tsy misy vato-mizana azo andanjana ny vidiny. Ody aina ny sakaiza mahatoky; izay matahotra ny Tompo no mahazo azy. Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina, satria manahaka azy ny sakaizany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 118, 12 sy 16. 18 sy 27. 34 sy 35
Fiv.: Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho, ry Tompo.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo! Ampianaro ahy ny fitsipikao! Ny fitsipikao no firavoako; ny teninao no fitadidiko!
Alao tampina ny masoko hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao. Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo! Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho: fa io no hafinaretako.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 10, 1-12
Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’olombelona sarahina.
Tamin’izany andro izany: Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: “Mahazo misao-bady va ny lehilahy?” Ary izao no navaliny azy ireo: “Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?” Dia hoy Izy: “Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.” Fa hoy kosa i Jesoa: “Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.” Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: “Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 9, 2-3
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
na hoe :
Jo. 11, 27
Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.