Sorona Masina ny Alakamisy 27 febroary 2025
Herinandro faha-7 mandavantaona
ALAKAMISY
Tononkira fidirana
Sal. 12, 6
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Fangatahana
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Vakinteny voalohany - Taona ankasa
Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly
Jak. 5, 1-6
Mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompo ny tarainany.
Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona. Ny harenareo efa lò; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao; ny volamena sy ny volafotsy efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo. Indro mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany. Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo. Nanameloka sy namono olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 48, 14-15ab. 15de-16. 17-18. 19-20
Fiv.: Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny Lanitra.
Jereo ny hanjò ireo matoky tena, sy lozan’izay minomino foana; toa ondry mitoby mba hovonoina. Hiraotra any am-pasana toy ny maty; mba mailaka erý izy midina any. Ny endriny hanjavona mora foana.
Ny Tompoko kosa mitsimbina ahy, vonjeny amin’ny fahafatesana aho; izay manan-karena aza dia ahina, raha tany misondrotra manan-daza. Angaha ny hareny manaraka azy? Raha maty izy hankaiza ny fiamboniany?
Endrey izany lazany teo aloha, nohasohasoiny any an-tampon-doha, izao tafaray amin’ny Razany izy, tsy hahita mazava mandrakizay. Izany tokoa he ny manan-kaja, dia mova tsy biby tsy manan-tsaina.
Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa
Bokin’i Siraka
Eklesiastika 5, 1-10
Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo.
Aza miankina amin’ny harenao, ary aza manao hoe: “Manan-karena ampy aho!” Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao, mba hanafa-po ny fanirian’ny fonao ary aza manao hoe: “Zovy moa no Tompoko?” Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao. Aza manao hoe: “Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?” Fa mahari-po ny Tompo. Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana, ka manampy ota ny ota. Aza manao hoe: “Be famindram-po Andriamanitra, ka hamela ny heloka marobe.” Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana; ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany. Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo, ary aza mangataka andro isan’andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo, ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany. Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Fiv.: Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony mahomby avokoa.
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 9, 40-49
Aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira. Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 9, 2-3
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
na hoe :
Jo. 11, 27
Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.