Sorona Masina ny Alahady 29 desambra 2024

ALAHADY aorian’ny nahaterahan’ny Tompo na ny 30 desambra

NY FIANAKAVIANA MASINA 

Taona D

FIANAKAVIANA MIFANKATIA, LANITRA ETY AN-TANY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Lk. 2, 16

Lasa nidodododo ny mpiandry ondry, ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely, mandry amin’ny fihinanam-bilona.

 

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mora fo ô, nomenao hotahafinay ny ohatra tsara namiratra tao amin’ny Fianakaviana Masina; koa rehefa maka tahaka ny hatsaram-panahy rehetra fehezin’ny fitiavana tao an-tokantranony izahay, dia enga anie mba ho faly sy ho finaritra mandray ny valisoa mandrakizay any an-tranonao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam 1, 20-22, 24-28

Nentin-dray aman-dreniny tao an-Tranon’ny Tompo i Samoela kely.

Tamin’izany andro izany i Elkanà dia nahalala an’i Anà vadiny, ary ny Tompo nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy. Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra, hanatitra amin’ny Tompo ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny. Tsy mba niakatra anefa i Anà, fa hoy izy tamin’ny lahy: “Rehefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko hiseho eo anatrehan’ny Tompo sy hitoetra eo mandrakizay... Nony efa notazany ny zaza dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’omby lahy telo, sy lafarîna iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-Tranon’ny Tompo tao Silô izy. Mbola tanora kely ny zaza. Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’omby lahy iray, ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza. Ka hoy i Anà: “Aza mahafady, Tompoko, raha velona koa ny ainao, Tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo. Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko, ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy. Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’ny Tompo; nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra”. Dia niankohoka teo anatrehan ny Tompo izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 83, 3.4.5-6.9.10

 

Fiv.: Mahatehotia ny fonenanao, Tompon’ny tafika.

Ny fanahiko manembona ka reraka manina ny kianjan'ny Tompo
Ny foko, ny nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona.
Ny fody avy no mahita rano hialofana, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany:
anilan’ny ôtelinao, ry Tompon’ny tafika, ry Mpanjakako sy Andriamanitro.

Sambatra izay monina ao an-tranonao, ka midera Anao mandrakizay.
Sambatra ny olona omenao hery rehefa mikasa hiakatra any am-bohitrao.
Ry Tompo Andriamanitry ny tafika ô, mba henoy vavaka re aho,
ry Andriamanitr’i Jakôba ô, aoka Ianao hampandry sofina.

Jereo, ry Andriamanitra Mpanasoa anay: tazano ny tavan’ilay Nohosoranao.
Eny, andro iray ao an-kianjanao mihoatra ny arivo any an-kafa.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohani Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 1-2. 21-24

 

Ny didy dia ny hinoantsika an’i Jesoa kristy sy ny hifankatiavantsika.

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Ry hava-malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny: ny hinoantsika ani Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aleloia.

Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk 2, 41 -52

Hitan’ny ray aman-dreniny teo afovoan’ny mpampianatra i Jesoa

Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo. Ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo hoe niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izy rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: “Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty irainao sy izaho malahelo mitady Anao”. Fa hoy Izy taminy:

“Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?” Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy; fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao andro ankalazantsika ny fiainan’i Jesoa tao amin’ny fianakaviany izao, dia mivavaha ho an’ny fianakaviantsika tsirairay, ary ho an’ny fianakaviam-ben’ny olombelona, mba ho feno fitiavana sy fifanajana ary fahamarinana ny fianakaviana rehetra.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Ny Eglizy no irîn’Andriamanitra ho fianakaviana hidiran’ny olombelona rehetra, koa mivavaha mba hiray hina sy hifankatia ny kristianina rehetra, izay natao ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao.
* Mivavaha mba hifampitondra toy ny mpianaka sy mpiray tam-po ny mpitondra rehetra sy ny entina, ka ho fianakaviam-be iray ny vahoaka rehetra eto an-tany, hifanampy sy hifanasoa marina tokoa.
* Itambesarana adidy lehibe sy mafy ny raim-pianakaviana amin’ny famelomana ny zanany sy izay hahasoa azy, koa mivavaha hananany herim-po, tahaka an’i Masindahy Jôsefa nitondra an’i Jesoa Zazakely nandositra tany Ejipta sy niahy ny Fianakaviana Masina tao Nazareta.
* Maro ny fianakaviana ho tafavory amin’izao taom-baovao izao mba hifanolotra arahaba sy fanomezana, koa mivavaha ho an’ireo tsy mba manan-kavana, na vahiny an-tanin’olona, mahatsiaro fa singany irery amin’ny andro toy izao.
* Nanaraka tamin-kerim-po izay nolazaia’ny Anjely taminy i Masindahy Jôsefa, ka nieren-doza ny fianakaviany ary tanteraka izay voalazan’ny Mpaminany ny amin’i Jesoa, koa mivavaha mba ho haintsika ny mihaino ny feon’Andriamanitra sy manaraka izay atorony.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nifidy fianakaviana Ianao, hiainana sy hitiavana ary hizarana hasambarana; koa ataovy mba mahita fianakaviana hatramin’ny fahakely ny olona rehetra, na mba ho afaka hanorina fianakaviana: hahasambatra azy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Atolotray Anao, ry Tompo, ity Sorona fifonana ity; ary mivavaka ho anay Ilay Virjiny Renin’Andriamanitra sy i Masindahy Jôsefa, koa mitalaho an-tanan-droa aminao izahay: enga anie ny fianakavianay mba hiorina mafy ao amin’ny fahasoavanao sy ny fiadananao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny nahaterahan’ny Tompo.

 

Kômonio

Bar. 3, 38

Niseho teto an-tany ny Andriamanitsika ary niara-nonina tamin’ny olombelona.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny Kômonio masina izahay, ry Ray tsara fo indrindra, ka ataovy maka tahaka lalandava ny toe-piainan’ny Fianakaviana Masina; ary rehefa tapitra ny fahoriana ety an-tany, dia enga anie izahay hiombona hasambarana aminy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076