Sorona Masina ny Alahady 08 septambra 2024

ALAHADY FAHA-23 mandavantaona — B

TIA TSY MANAVAKA NY TOMPO

Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 35, 4-7a

Halady ny sofin’ny marenina, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.

Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, Tenany no avy, dia hamonjy anareo. Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra; ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo. Ny tany hay hanjary farihy, ary ny tany mangetana ho loharano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10.


Fiv.: Izaho midera ny Tompo raha mbola velona aina.

Ny Tompo mitandrina mandrakizay ny fahamarinana sy manome rariny ireo ampahoriana. Ilay manome sakafo ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitràka ny miondrika. Tompo mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina, fa ny olon-dratsy aviliviliny. Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby, ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 2, 1-5


Moa tsy ny mahantra va no nofidin’Andriamanitra ho mpandova ny fanjakany?

Ry kristianina havana, aza asiana fizahantavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra. Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe: “Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha”; fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: “Mitsangàna ery”, na “mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro”; moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra? Henoy ange, ry kristianina havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 31-37

Nampalady ny marenina Izy, ary nampiteny ny moana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahiny mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: “Efetà!”, izany hoe, “misokafa!” Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy. Ary noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ireo vahoaka nanaraka an’i Jesoa tany Palestina dia nihoby ny heriny sy ny hatsaram-pony tamin’ireo nijaly izay novonjeny; ary isika kosa entanim-pinoana sy matoky ny fitiavany, koa asondroty ny fontsika hiangavy Azy, hanafaka ny fahoriantsika sy ny an’izao tontolo izao.

Valy: Ampio izahay, ry Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay!

* Nohafaran’i Masindahy Jakôba isika androany hitsimbina ny mahantra; koa mivavaha mba ho voahaja sy hoampiana eran’ny Eglizy manontolo ireo mijaly.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka: ny manam-pahaizana, ny mpanao fikarohana, ny mpitsabo sy ny mpanampy azy, mba hananany fandavan-tena tsy lefy, ka ho hita taratra ao aminy ny hatsaram-pon’i Jesoa.
* Misy ankehitriny mitovy saina amin’ireo Farisianina malain-kino ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa Kristy; koa mivavaha mba hotsilovin’Andriamanitra ireo mikaroka izay fanazavana ny Evanjely, antonona an’izao andro izao.
* Mivavaha ho an’ireo manan-takaitra sy ny fianakaviany, ary ho an’ireo mpikarakara azy, mba hahaizany miara-monina ao anatin’ny fifankatiavana marina, ka hahitan’ireo manan-takaitra fahasambarana na eo aza ny kilemam-batany.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba ho fatra-pitia ireo kilemaina isika kristianina, ary ho ohatra azo faka tahaka ho an’ny mpiara-monina sy izao tontolo izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, matetika izahay no manentsin-tadîny amin’ny antsonao, ary resin-tahotra na menatra, ka tsy mahatondra ny hafatrao; koa mandalova ety aminay toy ny nataonao fahiny, ary sitrano izahay, marenina sy moana ara-panahy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao Avo Indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1451