Sorona Masina ny Alakamisy 29 aogositra 2024

Ny Nahafaty Martiry an'i Md Joany Batista  Fety fahatsiarovana

Ny fankalazana ny nahafaty martiry an'ilay Mpialoha lalana dia efa nisy teo amin'ny Fiangonana tamin'ny taonjato faha-7. Ny tantaran'ny naha martiry azy dia araka izay voalaza ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Marka; ary raha ny voalaza ao amin'ny Boky romanina mirakitra ny tantaran'ny martiry dia andro mialoha kelin'ny fetin'ny Paka no nitrangan'izany.

 

Tononkira fidirana

Sal. 118/119, 46-47

Tompo ô, hilaza ny baikonao eo anatrehan'ny mpanjaka aho ka tsy ho menatra. Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy.

Fangatahana

Andriamanitra ô, i Md Joany Batista no natolotrao ho Mpialoha lalana an'i Kristy Zanakao, na tamin'ny nahaterahany, na tamin'ny nahafatesany; izahay koa mba tahio hirotsaka amin'ny fonay manontolo hanambara ny Evanjely, tahaka ny nahafoizany ny ainy ho an'ny fahamarinana sy ny rariny. 

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay...

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer 1, 17-19

Mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao.

Tamin'izany andro izany, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany hianao.
Indro aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahana, eo anatrehan'ny tany rehetra, eo anatrehan'ny mpanjakan'i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan'ny mpisorony, eo anatrehan'ny vahoakany.
Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao aho, hamonjy anao aho; - teny marin'ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Salamo fandinihana

Sal. 70/71

Fiv.: Hitanisa ny famonjena.
avy aminao ny vavako.

Hianao ry Iaveh, no nataoko fialofako, aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!
Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho, ka afaho! Atongilàno amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!

Aoka hianao ho vatolampy tsy azo hanihina, ho ahy, izay ho azoko handosirana mandrakariva.
Efa nandidy ny hamonjy ahy hianao, fa hianao no vatolampiko sy trano mimandako.
Ry Andriamanitro ô, afaho aho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy, amin'ny tànan'ny olon-tsy marina sy masiaka.

Fa hianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, hianao no ipetrahan'ny fitokiako hatramin'ny fahatanorako!
Hianao no iankinako hatramin'ny aho fony vao teraka; hianao izay mamoaka ahy avy any ambohoka; ka anao ny fiderako mandrakizay!
Hianao no iankinako hatramin'ny aho fony vao teraka; hianao izay mamoaka ahy avy any ambohoka; ka anao ny fiderako mandrakizay!

Ny vavako hitory ny fahamarinanao, mbamin'ny fanambinanao tontolo andro; fa tsy hitako izay isan'izany.
Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho, ary mitory ny fahagaganao, mandrak'ankehitriny!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 17-29

 

Tamin’izany andro izany, i Heroda dia naniraka hisambotra sy hamatotra an'i Joany an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady.Satria Joany nanao taminy hoe: Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. Koa tonga halan'i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izanynoho ny tahotr'i Heroda an'i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin'ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanaovany fanasana ho an'ny manamboninahiny sy ny tompon'arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Joany Batista. Dia nidodododo faingana nankao amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan'i Joany Batista. Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan'i Joany amin'ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin'ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ray ô, raiso ny fanatitray, ary tahio izahay hizotra lalandava amin'ny lalam-pahamasinana, efa nambaran'i Joany Batista, tamin'ny antson'ny mpamminany nataony tany an-taniefitra ary nohamafisiny tamin'ny ra nalatsany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: ny an'i Md. Joany Batista.

 

Kômonio

Jo. 3, 27

Namaly i Joany ka nanao hoe: Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, novorinao eto amin'ny fanasanao izahay, amin'izao fankalazana am-boninahitra ny nahafaty martiry an'i Md Joany Batista izao; koa enga anie mba ho finoana velona no hanajanay an'ity mistery ankalazainay ity, ary mba ho an-kafaliana no hiotazanay ny vokatry ny famonjena. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay, Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0516