Sorona Masina ny Alatsinainy 03 jona 2024

Herinandro faha-9 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 24, 16. 18

 

Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Piera Apôstôly

2 Pier. 1, 2-7

 

Noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo.

Ry kristianina havana, hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika. Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsarany; dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rahefa afaka tamin’ny fahalovan’ny filan-dratsin’izao tontolo izao. Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy, fahalalana; ny fahalalana, fahalalana onony; ny fahalalana onony, fandeferana; ny fandeferana, fitiavam-bavaka; ny fitiavam-bavaka, fitiava-namana; ny fitiava-namana, fitiavana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 90, 1-2. 14-13ab. 12d-16.

 

Fiv.: Ry Andriamanitra itokiako!

Izany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo. Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo! O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho. Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko. Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena. Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly. Raha tojo fitsapana, tsy havelako hanirery.
Izaho ho tonga hanafaka azy eo anivom-pahavalo. Sy ho avy hanandratra azy eo anivom-pahoriana. Ka homeko tombon’andro sesehena koa izy; hanekeko izany vonjiko fa sitrako izany.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fanombohan’ny Bokin’i Tôbia

Tôb. 1, 1a. 2 ; 2, 1-9

 

Andriamanitra no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka.

I Tôbia dia avy amin’ny fokon’i Neftali, sy amin’ny tanànan’i Neftali anankiray. Lasan-ko babo izy, tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina, nefa na tany am-pahababoana tany aza izy, dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana. Taty aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo, ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tôbia, ka hoy izy tamin’ilay zanany: “Mandehana ary mitondrà mankatý olona vitsivitsy iray foko amintsika, izay matahotra an’Andriamanitra, hiara-misakafo amintsika.” Dia lasa ilay zanany; nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray, novonoin’olona, ka mitsitra foana ao an-dalambe ao. Nitsangana niaraka tamin’izay i Tôbia, niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo, tsy nihinana izy na dia kely aza; nony tonga tany amin’ilay faty izy, nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony, haleviny amim-pahamalinana, rahefa maty ny masoandro. Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso, fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe: “Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.” Nony maty ny masoandro, dia nivoaka handevina ilay faty izy. Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe: “Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany, ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao, dia manomboka mandevina ny maty indray!” Andriamanitra anefa no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka, ka nalainy ihany ny fatin’ireo novonoina, nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6.

 

Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 1-12

 

Nosamborin’izy ireo ilay zanany malalany indrindra ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe: “Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa. Nony tonga ny fotoana, dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka: fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodîny maina. Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka. Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny; ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny. Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako izy.’ Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: ‘Intý ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.’ Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka. Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany? Ho avy izy ka ny mpiasa haringany, ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa. Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: ‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro; avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’” Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.

 

na hoe:

Mt. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.

 

Vavaka aorian’nv Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0643