Sorona Masina ny Asabotsy 25 mey 2024

Herinandro faha-7 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 12, 6

 

Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.

 

Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 5, 13-20

 

Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.

Ry kristianina havana, misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo. Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary; hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany. Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po. I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana; ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. Ry kristianina havana, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy, dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 140, 1-2. 3 sy 8

 

Fiv.: Ny fivavahako anie hisondrotra toy ny emboka manitra anoloanao.

Tompo ô! miantso Anao aho! faingàna ho eto amiko!
Henoy ny feoko, fa miantso Anao aho!
Ny fivavahako anie hisandratra toy ny emboka manitra anoloanao!

Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo!
Arovy ny varavaran’ny molotro!
Fa izaho kosa, ry Tompo, miandra any aminao!
Ianao no ifefeko aza afoy ny fanahiko!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 13-16

 

Na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any.

Tamin’izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: “Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.” Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.

 

na hoe :

Jo. 11, 27

Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0655