Sorona Masina ny Zoma 12 jona 2026

ZOMA  manaraka ny alahady faha-2 aorian’ny Pantekôty – Taona A

NY FO MASIN’I JESOA

NY FON’I JESOA NO ILAY FO FATRA-PITIA NY OLOMBELONA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 32, 11. 19.

Izay ampoizin’ny Tompo hatao, maharitra mandrakizay, ny fikasan’ny Fony amin’ny taranaka mifandimby, ka hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana Izy, sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Rainay ô, ao amin'ny Fon'ny Zanakao malalanao no anomezanao anay ny hafaliana hankalaza ireo zava-dehibe nataonao noho ny fitiavanao anay; koa enga anie izahay hanovo ny fanomezanao safononoka avy amin'io loharano tsy mety ritra io.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Detoronomy

Dt. 7, 6-11

Nofidin'ny Tompo Andriamanitrao manokana ianao.

Hoy i Moizy tamin'ny vahoaka: “Vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao ianao. Ianao no nofidin'ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin'ny vahoaka hafa rehetra ambonin'ny tany. Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan'ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo; fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin'ny razanareo, dia nentin'ny Tompo nivoaka, tamin'ny tànana mahery, sy navotany tamin'ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin'ny tànan'i Faraona mpanjakan'i Ejipta. Koa aoka ho fantatrao àry fa ny Tompo Andriamanitrao no tena Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin'ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin'ny taranaka faharivo amin'izay tia azy sy mitandrina ny didiny. Fa mamaly an-kitsirano kosa an'izay mankahala azy, amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory izy ny amin'izay mankahala azy, fa hovaliany ankitsirano izao.

Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsìpika andidiako anao anio, ka tanteraho izany."

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 103, 2-18

 

Fiv.: Mandrakizay ny fitiavan'ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko,
ary isaory ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko,
ary aza hadinoina ny soa rehetra avy aminy.

Fa Izy no mamela ny helokao rehetra
Manasitrana ny aretinao rehetra
Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka.
manenika fitiavana sy famindram-po anao.

Manao ny fitsarana ny Tompo
manome rariny an'izay rehetra nampahorina
nampiseho ny lalàny tamin'i Moizy izy,
ary ny asany lehibe, tamin'ny Israelita.

Mamindra fo sy miantra ny Tompo
mahari-po sy be fitiavana.
Tsy manao amintsika araka ny fahotantsika,
ary tsy mamaly antsika araka ny helotsika.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohany nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 4, 7-16

 

Tia antsika ny Tompo.

Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary nampiseho ny fitiavany antsika izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany lahitokana ho amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika. Ry malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika. Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana azy.

Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary izy ao amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 25-30

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho.

Tamin’izany andro izany, dia hoy Jesoa hoe: "Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa.

Eny, misaotra aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy. Mankanesa atý amiko hianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo hianareo; fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny Fon’i Jesoa Tompo no itodihantsika anio, ka matoky isika fa hohenoiny; koa hararaoty izany fitokiana izany hivavahantsika ho an’ny olombelona rehetra, izay nahafoizany ny ainy noho ny fitiavany tsy taka-polopolorina.

Valy: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy, mba ho loharano masina hanovozana ny fampianarana navelan'i Jesoa tokoa izy eo ambany fiahian'ny Papa sy ny eveka ary ireo pretra mpiandry ondry.
* Mivavahaho an’ireo miandraikitra raharaham-bahoaka, mba hampian'Andriamanitra hanana fitiavana ny tanindrazana sy ny vahoaka entiny izy. Ary hahatsapa fa avy amin'Andriamanitra izany fitiavana izany.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra tsy misy mpiahy. Ireo sahirana ara-pivelomana. Mba hitoeran'ny famindrampon'i Jesoa malemy fanahy izy ireo ka ho maivana ny jioga zakainy isan'andro.
* Mivavaha ho an’ireo iray finoana amintsika fa tsy tafangona androany, ary ho an’ireo hafa finoana, mba hantsoin’ny fitiavan’Andriamanitra izy hiombompanantenana amintsika, ao amin’ny Fon’i Jesoa.
* Ary mivavaha ho antsika rehetra tonga eto izao, mba hitombo lalandava ao amintsika ny fitiavan’Andriamanitra, ka hitozoantsika hamaly fitia hatrany koa, an’ilay Fo masina loharanon’ny fiainana sy ny famonjena.

 

—Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, ny Fo nofo tao aminao dia endrika ahitanay ny fitiavanao tsy misy fetra, amelanao ny helokay sy itiavanao ny olombelona tsy an-kanavaka, koa mba ovao ny fonay hahay miantra sy mitia tahaka ny Fonao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Todiho maso, ry Tompo, ny fitiavana tsy hay lazaina avy amin’ny Fon’ny Zanakao malalanao; koa mihanta aminao izahay: enga anie izao tontolo izao mba ho fanatitra hankasitrahinao, no sady ho fanonerana ny otanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nentanim-pitiavana ka nasandratra teo amin’ny Hazofijaliana mba hanolo-Tena ho anay, ary nandrotsaka rano sy Ra avy amin’ny Fony ho loharanon’ny Sakramentan’ny Eglizy, mba hahatarika ny olona rehetra hankeo amin’ny Fon’Izy Mpamonjy nolefonina, sy ho sambatra hiala hetaheta tsy an-kijanona eo amin’ny loharanom-pamonjena.

Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .

 

Kômonio

Jo. 7, 37-38

Hoy ny Tompo hoe: «Raha misy mangetaheta, tongava aty amiko hisotro. Izay mino Ahy, hiboiboika rano velona ao aminy».

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, izao Sakramenta tsangam-baton’ny fitiavana izao hampiredareda ny fitiavana masina ao am-ponay, hany ka rehefa voasintona mandrakariva hanatona ny Zanakao izahay, dia hiezaka hahita Azy koa ao amin’ny namanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0065