Sorona Masina ny Alahady 03 mey 2026

ALAHADY FAHA-5 - Taona-A fankalazana ny Paka

I KRISTY NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 97, 1-2

Ihirao hira vao ny Tompo, fa nahavita zava-mahagaga; naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena. Aleloia!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy izahay zanakao malalanao, fa mino an’i Kristy, ka omeo ny fahafahana marina sy ny lova mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 7, 1-7

Nifidy lehilahy fito feno ny Fanahy Masina ny Apôstôly.

Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahiîna loatra tamin’ny fizarana ny fiantrana isan’andro ny mpitondra tena tao aminy. Ka novorian’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: “Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo, ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra. Koa amin’izany, ry rahalahy havana iray finoana, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany; ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny”.

Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka nofidîny i Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia. Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana. Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 32, 1-2. 4-5. 18-19

 

Fiv.: Homba anay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Ry olo-marina, hobio ny Tompo. Ny olo-mahitsy no mendrika hidera. Derao amin-dokanga ny Tompo, antsao am-baliha tory folo.
Fa marina ny tenin’ny Tompo, ny asany rehetra mahatoky, ny rariny sy hitsiny no tiany, mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo no ahîny; eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany hafahany amin’ny fahafatesana, hovelominy amin’ny tao-mosarena.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pi. 2, 4-9

 

Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka.

Ry hava-malala, manatòna an’i Jesoa Tompo, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa; ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: “Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna, dia vato voafidy sy saro-bidy, ary izay mino Azy tsy hangaihay”. Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: “Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina”; fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy. Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 1-12

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy toerana maro ao an-tranon’ny Raiko, raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo, ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”.

Dia hoy i Tômà taminy: “Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy”. Dia hoy i Filipo taminy: “Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Izay ela izay no nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko, fa ny Ray Izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO…

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sanganehana ny olombelona ankehitriny, tsy mahita izay hifaharana sy hianteherana; ary ny kristianina aza dia maro no very hevitra sy miroanahana amin’ny lalana tokony hizorany hahitany ny marina; koa mivavaha mafy isika mba hahitan’ny olona rehetra fa i Kristy no lalana tokana azo antoka.

Valy: Ianao no lalana sy fahamarinana ary fiainana.

na: Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa, na aiza na aiza hitondranao ahy.
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa, fa ianao no miantso ahy.

* Ny Eglizy no nirahina hanohy ny nataon’i Kristy; manoro ny lalana mitondra amin’ny fahazavana sy ny famonjena; koa mivavaha mba hizotra hatrany tsy misy mpanembantsembana ny fanatanterahany ny adidiny.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra manana andraikitra hitondra an’izao tontolo izao, mba hanampian’Andriamanitra azy, hahita sy hanatontosa ny adidy nanirahana azy.
* Mangataha amin’ny Tompo mba ho fitaovana hahitana ny fahamarinana sy ny fiainana ny gazety sy ny radiô ary ny fahita lavitra, fa natao hanilo ny olombelona sy hamolavola ny hevitra hitondrana an’izao tontolo izao.
* Mivavaha ho an’ireo mitady izay raharaha hataony eo amin’ny fiainana mba hatoron’Andriamanitra azy izay lalana hahatongavany eo amin’Izy Tompo sy hahafahany manasoa ny mpiara-belona.
* Tokony hanampy antsika hanara-dia an’i Kristy sy ho tonga eo aminy, ny maha-iray Fiangonana; koa mivavaha mba tsy hisy handraraka ilo mby an-doha isika eto amin’ity fiangonan’ity.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany

 

Tompo ô, enga anie Ianao ho lalana sy fahamarinana ary fiainana ho anay; koa herezo ireo efa mahalala Anao, ary tantano ho tonga eo aminao ireo mbola lavitra Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao, no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra Avo Indrindra; koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny ahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka.

 

Kômonio

Jo. 15, 1. 5.

Izaho no foto-boaloboka, ianareo no sampany, hoy ny Tompo. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako mamoa be. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao, vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny, ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0062