Sorona Masina ny Alahady 04 mey 2025

ALAHADY FAHA-3 – Taona D fankalazana ny Paka

MIARAHA MIASA AMIN’I PIERA FA IZANY NO EGLIZY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 65, 1-2

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo. Antsao ny Anarany be voninahitra. Aleloia!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, hientan-karavoana lalandava anie izahay vahoakanao fa mirana sy tomady nahazo aim-baovao; ary faly izahay ankehitriny tafaverina amin’ny voninahitra maha-zanaka natsangana, ka enga anie ho fo manantena ny valisoa azo antoka, no hiandrasanay ny andro fitsanganan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 5, 27b-32. 40b-41

Izahay sy ny Fanahy Masina no vavolombelon’ny teny lazainay.

Tamin’izany andro izany, nentina teo amin’ny Sanedrîna ny Apôstôly, ary nadinin’ny lehiben’ny mpisorona izy ireo nataony hoe: “Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny Ran’iny Lehilahy iny”. Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: “Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona. Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely. Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany”. Ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo ny Apôstôly, sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany. Nony niala tamin’ny Sanedrîna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao mendrika ny hitondra fahafaham-baràka noho ny Anaran’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a sy 13b

 

Fiv.: Izaho hidera Anao, ry Tompo, satria Ianao nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy: tsy navelany hifaly ny rafiko. Ny fanahiko efa tany an-tSeoly dia nakarinao, ry Tompo ô! izaho efa tany am-pasana dia novelominao indray!
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka; isaory ny Anarany masina. Mandalo ihany ny hatezerany, ny fanambinany kosa maharitra: hariva aho nitomany, fa nony maraina, velon-kira.
Tompo ô, aoka Ianao handreny; miantrà re, tongava hamonjy. Dia navadikao ho dihy ilay hira fitarainako; Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no hisaorako Anao!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 5, 11-14

 

Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefàna sy ny haja.

Izaho, Joany, nahita sy nandre ny feon’Anjely maro be, nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamim-peo mahery hoe: “Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra”. Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany, mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe: “Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay”. Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe: “Amen!” Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 21, 1-19 (lava) na 1-14 (fohy)

Tonga i Jesoa ary nandray ny mofo sy nanome azy ireo, ary toy izany koa ny hazandrano.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: “Handeha hanarato aho”. Fa hoy ireo taminy: “Handeha hiaraka aminao koa izahay”. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Manan-kanina va ianareo, anaka?” Dia hoy ny navaliny Azy: “Tsia”. Hoy Izy tamin’izy ireo: “Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo”. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: “Ny Tompo io”. Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Itondray ny hazandrano vao azonareo”. Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Avia hisakafo”. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: “Iza moa Ianao?” Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.

 

Ajanona eo raha ny fohy no atao, tohizina raha ny lava.

Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: “Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?” Ka hoy ny navaliny azy: “Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”. Dia hoy Izy taminy: “Fahano ny zanak’ondriko”. Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: “Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?” Ka hoy ny navaliny Azy: “Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”. Dia hoy Izy taminy: “Fahano ny zanak’ondriko”. Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: “Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?” Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: “Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao”. Dia hoy Izy taminy: “Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao”. Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: “Manaraha Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.— Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao andro anankinan’ny olombelona ny fanantenany amin’ny fahaizany sy ny zavatra foronin’ny sainy ankehitriny izao, dia mangataha amin’Andriamanitra isika, mba hovelominy lalandava ao am-pon’ny olombelona ny fanantenana ao amin’i Kristy, hahitany ny soa rehetra.

Valy : Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

* Misy Eveka sy Pretra amin’ny firenena sasany voatory amin’ny fitsarana, noho ny finoana kristianina; koa mangataha amin’Andriamanitra mba homeny herim-po toy ny Apôstôly teo amin’ny Sanedrîna izy, ho sahy hamaly hoe: «Tsy afaka tsy hiteny izahay».
* Maro ny raharaha fanasoavam-bahoaka, mila mpiandraikitra, koa angataho amin’Andriamanitra ny tompon’adidy rehetra, mba samy hahatondra fanantenana sy hasambarana ho an’ireo karakarainy.
* Mangetaheta fahasambarana lalandava isika olombelona, koa mangataha mba tsy hanary toky na oviana na oviana, indrindra ireo mijaly; fa hanantena, ary ho tojo ny fahazavana sy ny fiainana tsy mety maty ao amin’i Kristy, izay tena anton’ny fanantenantsika.
* Liam-piadanana tena izy izao tontolo izao, koa mivavaha mba ho hain’ny olombelona sy ny firenena rehetra ny miara-miasa hikatsaka ny soa iombonana, ka ho tody soa aman-tsara any amin’i Kristy tafatsangan-ko velona ny olona rehetra
* Mangataha amin’Izy Tompo, mba ho haintsika ampiasaina mandrakariva ny soa ara-nofo sy ny vola aman-karena, mba hikatsahana ny soa ara-panahy.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, ampianaro ny Eglizinao hahay hitarika ny olombelona ho eo amin’ny moron-drano misy Anao; ary ny kristianina rehetra ampitomboy finoana sy fahazotoana, sahala amin’ny nataonao tamin’ny Apôstôly.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana; Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka.

 

Kômonio

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianatra Azy. Aleloia.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao: fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lo, ho enim-boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084