Sorona Masina ny Zoma 17 janoary 2025

Herinandro voalohany mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

 


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra



Vakinteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 4, 1-5. 11


Aoka isika hazoto miditra amin’ny fialan-tsasatry ny Tompo.

Ry kristianina havana, aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana fa hiditra amin’ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza. Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny ka tsy nahasoa azy akory. Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: “Nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.” Toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany. Fa hoy Izy hoe, amin’ny andininy anankiray any ho any ny amin’ny andro fahafito: “Ary Andriamanitra niala sasatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito.” Ary eto indray, hoy Izy: “Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.” Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 77, 3-4d. 6d-7. 9.


Fiv.: Tsy hohadinoinareo ny asan’ny Tompo.

Izay henonay ka fantatray, fa nolazain’ireo razana anay, dia ny fiderana ny Tompo sy ny heriny mbamin’ny zava-mahagaga izay vitany.
Ireo zaza vao ho teraka hitantara amin-janany koa, ka ireto hatoky an’Andriamanitra, tsy hanadino ny asan’ilay Mahery, fa hitandrina kosa ny didiny.
Tsy mba hanahaka ireo razany, izay taranaka mpikomy sy mpiodina, tsy niraiki-tsaina tamin’Andriamanitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 2, 1-12


Manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe: “Anaka, voavela ny helokao.” Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo, ka nanao anakampo hoe: “Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?” Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy: “Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy): Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: “Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0107