Sorona Masina ny Alatsinainy 13 janoary 2025
Herinandro voalohany mandavantaona
ALATSINAINY
Tononkira fidirana
Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.
Fangatahana
Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Vakinteny voalohany
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio
Heb. 1, 1-6
Tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenan’Andriamanitra tamintsika.
Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao. Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny Teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, ka natao ambonin’ny Anjely, arakaraka ny fahambonian’anarana nolòvany, fa tsy tahaka ny azy ireo. Fa Anjely iza no mba nilazan’Andriamanitra hoe: “Zanako ianao, Izaho no niteraka Anao androany?” sy ny hoe: “Izaho ho Rainy, ary Izy ho Zanako?” Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin’ny tany indray Izy, dia manao hoe: “Aoka hitsaoka Azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 96, 1 sy 2b. 6 sy 7d. 9.
Fiv.: Miankohofa aminy, ry Anjeliny rehetra.
Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo!
E! ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka:
ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa!
Ianao manerinerina mifehy ny tontolo,
Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra.
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 1, 14-20
Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.
Nony natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.” Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 35, 10
Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.
na hoe :
Jo. 10, 10
Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.