Sorona Masina ny Alatsinainy 04 novambra 2024
Herinandro faha-31 mandavantaona
ALATSINAINY
Tononkira fidirana
Sal. 37, 22-23
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Fangatahana
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Vakinteny voalohany - Taona ankasa
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy
Fil. 2, 1-4
Fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina.
Ry kristianina havana, raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 130, 1. 2. 3
Fiv.: Tahio amim-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.
Tompo ô, tsy mba miavona ny foko! tsy miandranandrana ny masoko! tsy manenjika zava-baventy aho, na zavatra ambony tsy sahaza ahy!
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka: toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny: eny, toy ny zaza voky ny fanahiko ato amiko!
Aoka i Israely hatoky ny Tompo hatrizao ka ho mandrakizay!
Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma
Rôm. 11, 29-36
Nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.
Ry kristianina havana, tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra. Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken’ireo sasany amin’i Israely, dia nahazo famindram-po ankehitriny. Toy izany koa izy ireny ankehitriny, tsy manaiky an’Andriamanitra izy, nefa noho ny famindram-po azonareo, dia hahazo famindram-po toraka izany koa. Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo takarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny lalany! Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy? Sa iza no nanome Azy aloha, mba hahazoany valin’izany? Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 68, 30-31. 33-34. 36-37
Fiv.: Mivavaka aminao aho, ry Tompo.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa, dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra, ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina.
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna sy hanangana ny tanànan’i Jodà: ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-ko tompony tokoa! Ny taranaky ny mpanompony no handova; izay tia ny Anarany no honina ao!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 14, 12-14
Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe: “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 15, 11
Ny Lalan’ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
na hoe:
Jo. 6, 58
Hoy ny Tompo hoe: tahaka Ahy nirahin’ny Ray izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.