Sorona Masina ny Alatsinainy 28 oktobra 2024

Herinandro faha-30 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra



Vakinteny voalohany 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4,32 - 5,8


Mandehana amin'ny fitiavana tahaka an'i Kristy

Ry kristianina havana, aoka ianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampianatra sy hifamela heloka tahaka ny namelan'Andriamanitra heloka anareo ao amin'i Kristy.

Ka aoka ary hanahaka an'Andriamanitra toy ny zanaka malala ianareo. Ary mandehana amin'ny fitiavana tahaka an'i Kristy, izay nanolo-tena tamin'Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.

Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho voatonona eo aminareo akory aza rehefa fijangajangana sy fahalotoana isan-karazany ary fitiavan-karena. Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin'ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao fisaorana an'Andriamanitra. Satria fantaro tsara fa rahefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpitia harena (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan'ny Kristy sy Andriamanitra.
Koa aza mety hofitahin'olona amin'izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny zanaky ny tsy finoana. Aza miombona amin'ireny ianareo. Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin'ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-4. 6


Fiv.: Aoka isika ho mpaka tahaka an'Andriamanitra, toy ny zanaka malalany. 

Sambatra ny olona tsy mandeha amin'ny fisainan'ny tsy mpivavaka,
tsy mijanona amin'ny làlan'ny mpanota, 
ary tsy mipetraka miaraka amin'ny mpaniratsira;
Fa ny làlan'ny Tompo no ifaliany; 
sady saintsaininy andro aman'alina.

Tahaka ny hazo nambolena eo amoron'ny rano velona izy, 
ka ny voany tonga amin'ny fotoany; 
ny raviny tsy mba malazo; 
ny ataony rehetra vanona avokoa.

Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka: 
toy ny akofa faohin'ny rivotra izy,
Satria ny làlan'ny marina fantatry ny Tompo 
fa ny làlan'ny mpanota mitarika ho amin'ny fahaverezana.

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao ry Tompo no fahamarinana; hamasino amin'ny fahamarinanao izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 10-17


Itý zanakavavin’i Abrahama itý ve tsy tokony hovahana ny fatorany amin’ny andro Sabata?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata, ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony hatramin’ny valo ambin’ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, afaka ny aretinao.” Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin’izay, sy nankalaza an’Andriamanitra. Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro Sabata.” Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: “Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin’ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia Sabata aza ny andro? Ary itý zanakavavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata?” Tamin’izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1702