29 Septambra
MASINA MISELY sy GABRIELY ary RAFAELY, Arkanjely
Fankalazana
Samy voateny ao amin’ny Soratra Masina ireo Arkanjely telo ireo: i Misely amin’ilay ady nataony tamin’ny anjely mpikomy; i Gabriely tamin’izy nanambara tamin’i Maria ny hiterahany an’i Jesoa; i Rafaely tamin’ny nanampiany an-dry Tôbia. Hita amin’ireo tantara ireo fa midera an’Andriamanitra andro aman’alina any an-danitra ny Anjely no manatanteraka koa ny sitrapony mikasika antsika olombelona.
Akambano amin’ny fiderana ataon’ireo tandapan’ny lanitra ny fiderana ataontsika an’Andriamanitra, indrindra raha manolotra ny Sorona Masina toy izao.
Tononkira fidirana
Sal. 102, 20
Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny mahery fo manatanteraka ny didiny ary fatra-pihaino ny teny lazainy.
Asiana Voninahitra anie …
Fangatahana
Andriamanitra ô, mahagaga ny fandaharana ataonao fa natolotrao ny sampan-draharaha sahaza azy ny Anjely sy ny olombelona; koa mihanta aminao mora fo izahay: enga anie ny fiainanay nankininao amin’ireo manompo Anao any an-danitra mba hahazo hery lalandava etý an-tany.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Amen.
Bokin’i Daniely Mpaminany
Daniely 7, 9-10. 13-14
Arivoarivo no nanompo Azy.
Nijery aho, ka nahita seza fiandrianana, izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray, fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra ny kodiarany; ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky. Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra nandroso izy nankeo amin’ilay Anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany, dia nomena ny fahefana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
na: Vakiteny hafa
Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly
Apôk. 12, 7-12a
Niady tamin’ny Dragona i Misely sy ny Anjeliny.
Ary nisy ady tany an-danitra: I Misely sy ny anjeliny moa niady tamin’ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony; ka nazera itý Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana, izay mamitaka an’izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy. Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristy koa ny fahefana; fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitra. Nandresy azy ireo koa ny rahalahintsika noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy na dia ho faty aza Izy. Koa mifalia, ry lanitra mbaminareo monina ao aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5
Fiv.: Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho, ry Tompo.
Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho: satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako! Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho, miankohoka mitodika ny tempolinao masina.
Misaotra ny Anaranao aho: noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao! Fa nataonao lehibe ny Anaranao, sy ambonin’ny zava-drehetra ny Teninao. Ny andro iantsoako mamaly Ianao, sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny Mpanjakan’ny tany misaotra Anao avokoa; fa nahahaino ny tenin’ny vavanao! Mihira ny lalan’ny Tompo izy ireo, fa lehibe ny voninahitry ny Tompo!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
Jo. 1, 47-51
Hahita ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.
Tamin’izany andro izany, nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe: “Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.” Ka hoy i Natanaely taminy: “Ahoana no nahalalanao ahy?” Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.” Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: “Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mino ianao, satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.” Dia hoy koa Izy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, aoka ny Sorom-piderana atolotray mba hoentin’ny Anjely eo anatrehanao Avo indrindra, ka horaisinao sy hambininao ary hitondra famonjena ho anay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy:
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ary ny mankalaza Anao nahary ny Arkanjely sy ny Anjelinao; satria mampitombo ny fahambonianao sy ny voninahitrao ny fanajana ny Anjely arin-tananao; ary noho izy ireo tena mendrika fiderana ambony dia hita miharihary fa lehibe tsy misy fetra Ianao ary ambonin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Ilay ankalazan’ny Anjely marobe Anao avo indrindra ka iarahanay mihoby sy mitsaoka amin’ny antsa fiderana ventesinay manao hoe: Masina, Masina, Masina ...
Kômonio
Sal. 137, 1
Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho, miantso Anao eo anatrehan’ny Anjely.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Nahazo hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ary arovan’ny Anjely tsy an-kijanona, ka enga anie ho be herim-po hizotra amin’ny lalan’ny famonjena.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.