Sorona Masina ny Talata 06 jona 2023

Herinandro faha-9 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 24, 16. 18


Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.


Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Piera Apôstôly

2 Pier. 3, 12-15a. 17-18


Manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika.

Ry kristianina havana, eo am-piandrasana izaitsizy ny hiavian’ny Tompo ianareo, ny Tompo izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra. Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan’ny fahamarinana.

Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. Minoa fa ny haelan’ny fandeferan’ny Tompontsika dia ho an’ny famonjena anareo. Izao àry, ry kristianina havana, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo. Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 89, 2. 3-4. 10. 14 sy 16


Fiv.: Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry. Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao... Efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,’Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.
Nampodianao ho vovoka ny arin-tananao: «Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.» Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Fitopolo taona monja no anjara fiainanay; valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay. Fahoriana sy toloko anefa ny isan’izy ireny, fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay, ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro. Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao, ka hamiratra am’ireo taranakay ny herinao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Tôbia

Tôb. 2, 10-23


Tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy tamin’izany ozon-doza tonga jamba izany.

Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony i Tôbia, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory. Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin’ny akaniny, teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy. Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany, mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany, toy ny an’i Jôba lehilahy masina. Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra, sy nitandremany ny didiny mandrakariva, dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy, tamin’izany azon-doza tonga jamba izany; fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy, nisaotra Azy isan’andro nandritra ny andro niainany. Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra, no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tôbia ny fitondran-tenany, nataony hoe: “Fa zary inona itý fanantenanao, tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?” Nanarin’i Tôbia izy ireo, nataony hoe: “Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika, ka ilay fiainana tsy maintsy homen’Andriamanitra an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy no antenaintsika.” I Annà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba, ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo. Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy, ka nentiny tao an-trano. Nony nandre ny fibarareok’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe: “Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany, ka avereno amin’ny tompony, fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika, na dia mikasikasika izany akory aza.” Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe: “Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao; izany no vokatry ny fiantranao?” Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 111, 1-2. 7bd-8. 9.


Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Ny fony mitombina matoky ny Tompo; ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay, ny masony mibandrina ny rafilahiny.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra, ny fahamarinany maharitra mandrakizay; ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia,

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 13-17


Omeo an’i Sezara izay an’i Sezara, ary omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika Azy amin’ny teniny, ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?” Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: “Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.” Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: “Sarin’iza, sy anaran’iza io?” — Hoy iretsy hoe: “An’i Sezara.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Dia nigagan’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.


na hoe:

Mt. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’nv Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0681