Sorona Masina ny Alahady 04 jona 2023

ALAHADY MANARAKA NY PANTEKÔTY Taona A – NY TRINITE MASINA

FIANAKAVIANA MIAINA AM-PITIAVANA LAVORARY, ANDRIAMANITRA

Lokon'akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Hankalazaina anie Andriamanitra Ray sy Ilay Zanaka Lahy tokana ary ny Fanahy Masina, fa namindra fo tamintsika Izy.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny Teny mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambaràna amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra; koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina, ka hankatò ny voninahitry ny Olona telo samy mandrakizay: ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 34, 4b-6. 8-9

Ny Tompo Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra.

Tamin’izany andro izany, dia nifoha maraina koa i Môizy, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’ny Tompo azy; nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa. Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo, sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh! Tompo! Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe: “Izaho no Iaveh Tompo, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana”. Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy, dia niankohoka, nanao hoe: “Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56.


Fiv.: Deraina sy asandratra mandrakizay.

Isaorana ny Tompo Andriamanitry ny razanay:
Ny Anaranao masina be voninahitra:
Ianao ao an-Tempolinao masina:
Ianao eo ampiketraham-piandrianana
Isaorana Ianao mahatsinjo ny hantsana:
Isaorana Ianao eo ambony kerobima:
Ianao eny amin’ny habakabaky ny lanitra:


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 13, 11-13


Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina.

Ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olomasina rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 3, 16-18

Nirahin’Andriamanitra ny Zanany mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny alalany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’i Nikôdema hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ankalazaintsika anio, ry kristianina havana, ireo Olona telo maha-Andriamanitra an’Andriamanitra sy ny fitiavana mampiray Azy; ary isika kristianina dia efa nampidiriny ao amin’ny fianakavian’Izy Andriamanitra hatramin’ny Batemintsika; koa ndeha hiara-mivavaka ho an’ny olombelona rehetra.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Solontenan’Andriamanitra eto an-tany ny Eglizy; koa mivavaha mba haka tahaka an’Andriamanitra izy: hiezaka handroso fahamasinana ka ho be fitiavana sy fiantrana ny mpanota, ary hampiray ny kristianina rehetra ho fianakaviam-be entanim-pitiavana.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra vahoaka ara-nofo, mba hirotsahan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, sy handre ny fitiavan’Andriamanitra, ka na tsy mazava aminy aza ny finoana kristianina, mba hampian’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina izy, hampiray ny vahoaka amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana, mba hiadanan’ny ambanilanitra.
* Mivavaha ho an’ireo mbola tsy mahalala an’Andriamanitra marina sy ireo mbola mitotototo diso lalana mitady Azy, mba hiseho aminy Andriamanitra, ary mba hasehon’izay rehetra efa mino, na amin’ny teniny na amin’ny ataony.
* Ny fianakaviana rehetra dia tokony ho taratry ny fianakavian’Andriamanitra: koa angataho mba hanjakan’ny fifankatiavana sy ny firaisam-po amam-panahy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina, ampiraisin’ny fitiavana lavorary ao amin’ny Trinite Masina ô, ampio izahay haka tahaka izany fitiavana izany, hahitan’ny olombelona rehetra ny fitiavanao Andriamanitra, mba hiarahanay sambatra mandrakizay velona amin’ny fiainanao, Izay Andriamanitra velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, mihanta aminao izahay ary miantso ny Anaranao: mba hamasino ireto fanatitray mpanomponao, hahatonga anay koa ho fanatitra lavorary mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Andriamanitra tokana Ianao miaraka amin’ny Zanakao Lahy tokana sy ny Fanahy Masina. Tsy tokana amin’ny maha-olon-drery tsy akory, fa tokana amin’ny fomba maha-Andriamanitra tokana ny Olona telo. Inoanay tokoa izay rehetra nambaranao ny amin’ny voninahitrao, ka ankatoavinay tsy an-kanavaka, na momba ny Zanakao na momba ny Fanahy Masina.

Hany ka miaraka amin’ny finoana ny maha-Andriamanitra marina sy mandrakizay Anao, dia tsaohinay ny maha-Olona telo samy hafa Anao sy ny fomba maha-Andriamanitra tokana an’ireo Olona telo ireo ary ny fahandrianana itovizany tanteraka.

Izany fahandrianana izany no derain’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny Kerobima sy ny Serafima, amin’ny hoby isan’andro tsy an-kijanona, iarahanay miredona hoe: Masina, Masina, Masina …


Kômonio

Gal. 4, 6

Zanaka ianareo, ka nirahin’Andriamanitra ao anatin’ny fonareo ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: Abà Ray ô!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo Andriamanitra ô, hahavonjy anay fanahy amam-batana anie ny Kômonio raisinay sy ny fiekenay fa Olona telo mandrakizay Ianao ary Andriamanitra tokana tsy azo sarahina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0248