Sorona Masina ny Asabotsy 03 jona 2023

Herinandro faha-8 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 17, 19-20


Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahaory aho, nafahany satria tiany!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jodà Apôstôly

Jodà and. 17. 20b-25


Manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany Andriamanitra.

Ry malala, tsarovy ny teny voalazan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny. Aoka ianareo hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay. Amindrao fo ny sasany izay miahanahana; afaho amin’ny afo no famonjy ny sasany; ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra, ka ankahalao na hatramin’ny akanjo voaloton’ny nofo aza. Ary aoka anie ho an’Ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany, dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 62, 2. 3-4. 5-6


Fiv.: Ry Tompo Andriamanitro ô, mangetaheta Anao ny fanahiko.

Andriamanitra Andriamanitro ô, maniry Anao aho! Mangetaheta Anao ny fanahiko! Matimaty Anao ny nofoko: mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano.
Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina, sy nibanjinako ny hery sy voninahitrao fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao, ka ny molotro mankalaza Anao.
Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho, sy hanandratako tanana amin’ny Anaranao: ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa ny molotro hihoby, ny vavako hidera!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiastika 51, 12-20


Sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena.

Hankalaza Anao aho, ry Tompo, sy hidera Anao, ary hisaotra ny Anaranao. Fony aho mbola tanora mbola tsy naniasia, dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin’ny fivavahako. Nangataka izany teo anoloan’ny tempoly aho, sady hikatsaka azy hatramin’ny farany. Tamin’ny fahitana ny voniny, toy ny fahitana ny salohy mihamena, dia nifaly ny foko. Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy; nanaradia azy hatramin’ny fahatanorako aho. Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy, ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy. Tombon-tsoa lehibe no azoko avy aminy; ka sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena. Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho; nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana. Mba ho azy no niadian’ny fanahiko, sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe. Nasandratro ny tanako, ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy. Notarihiko hankaminy ny fanahiko, dia nahita azy, noho ny fahadiovan-toetrako. Niaraka taminy hatramin’ny voalohany aho, dia nahazo fahalalana, ka noho izany tsy hoariana aho na oviana na oviana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11.


Fiv.: Ny fitsipiky ny Tompo mahafaly ny fo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry ny olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy mahafaly ny fo. Ny baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Mahatehaniry noho ny volamena, sy ny avosam-bolamena madio; mamy noho ny tantely, sy ny tohon-tantely mitsonika.


Fihobiana ny Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 11, 27-33


Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?

Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho.” Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe: “Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.” Dia izao no navaliny an’i Jesoa: “Tsy fantatray.” Ary hoy kosa i Jesoa: “Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Avo indrindra.


na hoe:

Mt. 18, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081