Sorona Masina ny Asabotsy 27 mey 2023

Herinandro faha-7 — Fankalazana ny Paka

SABOTSY


Tononkira fidirana

Asa 1, 14


Niray saina ny Apôstôly naharitra nivavaka niaraka tamin’ireo vehivavy sy i Maria renin’i Jesoa ary ny rahalahiny. Aleloia!


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay: ampio hifanaraka amin’ny fankalazana ny Paka ny fitondran-tenanay sy ny fiainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 28, 16-20. 30-31


Nijanona tao Rôma izy nitory ny fanjakan’Andriamanitra.

Rahefa tonga tany Rôma izahay, dia nahazo nitoetra nitokana i Paoly, fa miaramila no niambina azy. Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: “Ry rahalahy, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza. Nony namatotra ahy ireo, ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy, dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo; nefa notoherin’ny Jody izany, ka voatery ho nangataka hotsarain’i Sezara aho; tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany. Izany ny niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan’i Israely itý, no ifatorako amin’izao rojo vy izao.” Nitoetra roa taona nipaka tao amin’ny trano anankiray nohofàny i Paoly; ary nandray tsara an’izay rehetra nankao aminy. Nitory ny fanjakan’Andriamanitra sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy, sady tsy nisy nisakana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 10, 4. 5 sy 7


Fiv.: Izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavanao, ry Tompo.

Ny Tompo ao an-tempoliny masina; ny Tompo amin’ny fiketrahany any an-danitra; ny masony mitazana; ny fijeriny mandinika ny zanak’olombelona.
Ny Tompo mandinika ny ratsy fanahy sy ny olo-marina: halany mainty ny mpanao an-keriny! Eny, marina ny Tompo, ny fahamarinana no tiany: ka izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 21, 20-25


Izy no ilay mpianatra nanoratra izany, ary fantatsika fa marina ny filazany.

Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: “Tompoko, iza no hamadika Anao?” Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa: “Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’itý?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao.” Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany? Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka fanolorana

Tompo ô, efa ho avy ny Fanahy Masina, ka enga anie Izy hanomana ny fonay handray ny Sakramentanao satria Izy no fototry ny famelan-keloka rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 16, 14

Ny Fanahy Masina no hanome voninahitra Ahy, satria ny avy amiko no horaisiny sy hambarany aminareo, hoy ny Tompo. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ho tahaka ny ialanay amin’ny fomba taloha ho amin’ny fiainam-baovao no handaozanay ny toetra ratsy mahazatra ka hanamasinanao sy hanavaozanao ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082