Sorona Masina ny Alahady 30 aprily 2023

ALAHADY FAHA-4 Taona - A fankalazana ny Paka

I JESOA NO VARAVARAN’NY FIAINANA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 32, 5-6

Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia manerana ny tany; ny lanitra no vita, dia ny tenin’ny Tompo. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba tantano izahay hiombon-kafaliana amin’ny lanitra; ka enga anie izahay andian’ondrinao osa sy malemy, hiaraka handresy amin’Ilay Mpiandry anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly

Asa 2, 14a. 36-41

Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny lehilahy iny.

Nony tonga ny andro Pantekôty, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera, ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe: “Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina, fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”. Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany: “Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?” Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: “Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra, mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”. Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: “Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”. Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6.


Fiv: Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho, fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany, tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy misy loza atahorako satria Ianao miaraka amiko, ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan’ny rafiko ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no ho fonenako amin’ny taona mifandimby.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pi. 2, 20b-25


Indro ankehitriny fa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

Ry hava-malala, raha manao soa ianareo no ampahoriana, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra. Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; dia Izy, Ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava nilaza fitaka velively; Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona, fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny; Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 10, 1-10

Izaho no vavahadin’ny ondry.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony; ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony”.

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany. Ka hoy indray i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, eo an-tsampanan-dalana sarotra, ny fiainan’izao tontolo izao: tsy maintsy hifidy lalan-kizorana ho amin’ny fiainana mba sambatsambatra kokoa izy, ka ho mamy izany miaina! Koa ndeha hiara-mivavaka isika mba hahitany an’i Kristy varavaran’ny fiainana tena izy, na ara-nofo na ara-panahy.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba ho mpiandry mahalala izay ilain’ny ondriny sy hikendry ny hanome ny tena fiainana ny mpitondra isan’ambaratonga, ary ny vahoaka kosa mba tsy ho voasolokin’ireo jiolahy sy mpangalatra ka handao an’i Kristy Mpiandry ondry tsara.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra ara-nofo rehetra mba hinoany fa i Kristy dia varavaran’ny fiainana feno sy mamokatra, na dia eo amin’ny ara-nofo aza, ka hanekeny hiara-miasa amin’ny olona rehetra, indrindra amin’ny mpianatr’i Kristy.
* Misy ny milomano anaty fiainam-be, fa misy koa ireo mihafy sy mijaly eo amin’ny fiainana: koa angataho mba hovan’i Kristy nitsangan-ko velona ny fon’ny olona hahay mifangoraka, ary mba hisy vokany ny ezaka sy ny rafi-piainana ajoro hifanasoavana eran-tany.
* Mivavaha ho antsika iray Fiangonana mba ho i Kristy no hataontsika fototry ny fiainantsika, ka hanondrotantsika miaraka aminy, ny fari-piainana eto an-tany, eo am-panomanana ilay fiainana feno tsy manam-pahataperana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Kristy Tompo ô, noharinao amin’ny varavarana tsy maintsy idirana hankao amin’ny fiainana ny Tenanao: koa aza avela ho rembin’ny hafa ny ondrinao, fa sokafy ny Fonao hidirany ka hahitany ny fiainana sy hananany azy be dia be, na eto an-tany na any an-koatra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao, ka hitohy hatrany eo aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Nitsangan-ko velona Ilay Mpiandry ondry tsara izay namoy ny ainy ho an’ny ondriny ary maty ho an’ny andian’ondriny. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Jereo amin’ny fo tony izahay andian’ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin’ny Ra masin’ny Zanakao, mba omeo toerana soa aman-tsara, any an-tanim-bilonao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749