Sorona Masina ny Talata 25 aprily 2023

25 Avrily

Md. MARKA, Evanjelista

(Taonjato voalohany)


Fankalazana

I Md. Marka dia anankiray tamin’ireo mpianatr’i Md. Piera. Na dia tsy anisan’ireo Apôstôly 12 lahy nofidin’ny Tompo aza izy, dia nanana ny anjara toerany teo amin’ny Eglizy vao niandoha. Hita lany ao amin’ny Asan’ny Apôstôly (Toko 12, 13 sy 15) izany, sy ao amin’ny Taratasin’i Md. Paoly sy i Md. Piera (Kôl. 4, 10; 2 Tim. 4, 11; 1 Pier. 5, 13) raha izy niara-niasa tamin’i Md. Piera sy i Paoly tany Rôma tamin’ny taona 52. I Md. Marka no vy nahitana sy angady nananana ny Evanjely faha-2, ka ny tantara sy ny fampianaran’i Md. Piera no narahiny. Ary hatreo amin’ny taonjato faha-3, dia izy no noheverina fa Ray nanorina ny Fiangonana tany Alexandrie (Ejipta); tany koa izy no maty novonoin’ny mpanenjika tamin’ny 25 avrily 68.
Mba raiso izay anjara tandrifinao amin’ny hafatry ny Tompo hoe: “Mandehana mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny voaary rehetra.”


Tononkira fidirana

Mk. 16, 15

Mandehana eran’izao tontolo izao ka torio amin’ny voaary rehetra ny Evanjely.


Asiana Voninahitra anie


Fangatahana

Andriamanitra ô, nasandratrao eo amin’ny toeram-pahasoavana hitory ny Evanjely i Masindahy Marka Evanjelista, koa mihanta aminao izahay: ataovy mahay manararaotra ny fampianarany hanara-dia an’i Kristy mandra-pahafaty.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.


Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 5, 5b-14


Manao veloma anareo i Marka zanako.

Ry malala, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena. Koa menetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

Mahalalà onony, ary miambena; fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana torak’izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rahefa miaritra kelikely ianareo. Ho Azy irery anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 88, 2-3. 6-7. 16-17


Fiv.: Hohiraiko mandrakizay, ry Tompo, ireo hatsaram-ponao.
na hoe: Mandrakizay ny famindram-pon’i Iaveh, mandrakizay!

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo! Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao! Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko; voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!
Ny lanitra, ry Tompo , mankalaza ny asanao mahagaga; ny Fiangonan’ireo Masina midera ny fahamarinanao! Iza eny amin’ny rahona no azo ampitahaina aminao? Zovy amin’ireo andriamanitra no mitovy amin’nyTompo?
Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby sy mandroso amin’ny hazavan’ny tavanao, sy mifaly amin’ny anaranao tontolo andro, sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 16, 15-20


Torio amin’ny voaary rehetra ny Evanjely.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy ka nanao hoe: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny.” Ary rahefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mankalaza ny voninahitr’i Masindahy Marka izahay, ry Tompo, no manolotra sorom-piderana ary mitalaho an-tanan-droa aminao, mba hitohy lalandava ao amin’ny Eglizinao ny fitoriana ny Evanjely.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Apostoly II

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Satria ataonao mafy orina eo amin’ny Apôstôly ny Eglizinao, mba ho famantarana mandrakizay hahitana ny fahamasinanao etý an-tany, sy hanoro ny olombelona rehetra ny tokony ho fantatra momba ny lanitra.

Ka na izao na ho mandrakizay dia miaraka amin’ny tafiky ny Anjely rehetra izahay, mihoby Anao amin’ny fanahy feno fitiavana, mihira manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: aoka izay noraisinay teo amin’ny ôtelinao hanamasina anay ary izay notorìn’i Masindahy Marka hankahery anay hino ny Evanjely.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084