Sorona Masina ny Alatsinainy 24 aprily 2023

Herinandro faha-3 — Fankalazana ny Paka

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

 

 

Nitsangan-ko velona ny Mpiandry ondry tsara, Ilay namoy ny ainy ho an’ny ondriny ary maty ho an’ny andian’ondriny. Aleloia.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinana hampody lalana ireo naniasia; koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 6, 8-15

 

Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo.

Tamin’izany andro izany, feno fahasoavana sy herim-po i Etiena, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin’ny vahoaka. Fa ny sasany avy amin’ny sinagôgan’i Libertina, sy ny an’ny Sireneana sy ny Aleksandrina mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia, dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etiena, ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo, dia namoky olona hilaza hoe: “Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an’i Môizy sy Andriamanitra izy io.” Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin’i Etiena sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrina. Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: “Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna. Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava itý fitoerana itý, sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.” Ary raha nibanjina an’i Etiena ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrina, dia hoatra ny anjely no fijeriny ny tarehiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 23-24. 26-27. 29-30

 

Fiv.: Sambatra izay madio famindra.

Na Mpanjaka aza no hipetraka hanameloka ahy, ny fitsipikao no fibitsiky ny mpanomponao. Ny fanambarànao no firavoako; ny fitsipikao no filàko saina.
Nitanisa ny lalànao aho ka novalianao; ampianaro ahy ny fitsipikao! Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Halaviro ahy ny lalan’ny lainga; ny Lalànao no aoka hanenika ahy! Ny lalan’ny fahamarinanao no nofidîko; ny satanao tsy hadinoiko.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 22-29

 

Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo, dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny ranomasina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha; nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra Izy. Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: “Raby, oviana no tonga teto Ianao?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.” Ary hoy izy ireo taminy: “Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?” Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ny vavakay anie, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin’ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

Jo. 14, 27

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo, hoy ny Tompo. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan’i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan’ny Paka, ary hamafiso ao am-ponay ny herin’ny mofo mahavelona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0413