Sorona Masina ny Alahady 23 aprily 2023

ALAHADY FAHA-3 - Taona A fankalazana ny Paka

MITOERA ETO AMINAY, RY TOMPO

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 65, 1-2

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo. Antsao ny Anarany be voninahitra. Aleloia!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, hientan-karavoana lalandava anie izahay vahoakanao fa mirana sy tomady nahazo aim-baovao; ary faly izahay ankehitriny tafaverina amin’ny voninahitra maha-zanaka natsangana, ka enga anie ho fo manantena ny valisoa azo antoka, no hiandrasanay ny andro fitsanganan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 2, 14. 22-28

Tsy azo atao ny hihazonan’ny fatoran’ny fahafatesana an’i Jesoa.

Nony tonga ny andro Pantekôty, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera, ka nanao antso avo niteny hoe: “Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko: I Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo, dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy, araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe: “Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho. Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny foko hitombina amin’ny fanantenana, fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao. Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 15, 1-2a. sy 5. 7-8. 9-10. 11.

 

Fiv: Ny Teninao, ry Tompo, no faniloko.
Ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao! Ianao, ho’aho, ry Tompo, no Andriamanitra; Ianao no hasambarako: Ny Tompo ny ahy no zara lovako; ianao no rakitro mateza.
Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy, alina avy ny foko no toroany. Ataoko anoloana hatrany ny Tompo, izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko, ny nofoko avy no mandry amin-toky. Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly, ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady;
Fa iny lalan’ny fiainana no hatoronao ahy: hafenoam-pifaliana anoloanao, hafinaretan-dava ankavananao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pi. 1, 17-21

 

Navotana tamin’ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, ianareo.

Ry hava-malala, raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy, no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety, satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na volafotsy, fa ny Ra saro-bidin’i Kristy. Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo. Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra, Izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 13-35

Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy; fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo. Hoy Izy taminy: “Inona izato resahinareo ety an-dalana, no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?” Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: “Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?” Fa hoy Izy tamin’ireo: “Zavatra inona moa izany?” Dia hoy ireo: “Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny, teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty, mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.

Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy”. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny?” Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa fa notanan’izy ireo nataony hoe: “Mitoera re aty aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”.

Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakîny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza izy hoe: “Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika, fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!” Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe: “Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”. Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sarotra ankehitriny ny hahalalan’ny olona an’i Jesoa Kristy; koa akambano ny vavaka ataontsika hiaraha-mitalaho mba ho maro ireo mazoto hitory Azy ary mba hijoroan’ny kristianina rehetra ho endrika ahitan’ny olona ny Mpamonjy.

Valy: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba ho tena solontenan’i Jesoa Kristy tokoa izy hahay hampahalala Azy amin’ny teniny sy ny fitondrany ny Eglizy ary ny fitantanany ny Sakramenta.
* Maro ny kristianina tonga eo amin’ny fitondram-bahoaka, koa angataho amin’Andriamanitra mba hamiratra eo amin’ny raharaha iandraiketan’izy ireny ny fampianaran’i Kristy.
* Betsaka ireo kivikivy sy sorena, ireo toa vahiny eo amin’ny mpiara-monina, ireo mamoy fo fa tsy manan-kantenaina eo amin’ny fiainany; koa mangataha amin’ny Tompo mba hahita mpamonjy izy ireny, indrindra fa amintsika kristianina.
* Manatona antsika ny Tompo eto amin’izao fanompoam-pivavahana izao, mba hitafa amintsika sy manasa antsika handray ny Tenany amin’ny Kômonio, koa mangataha mba hahay mizarazara izay azontsika amin’ny manodidina isika.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nataonao nirehidrehitra ny fon’ireo mpianatra anankiroa tafaraka taminao nankany Emaosy, ary nankaherezinao sy novelombelominao; koa mangataka aminao izahay, mba omeo hafaliana tahaka azy, rehefa mihaona aminao, ary ampio hizara izany hafaliana izany eo amin’ny manodidina anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana; Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka I

 

Kômonio

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianatra Azy. Aleloia.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao: fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lo, ho enim-boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0444