Sorona Masina ny Asabotsy 22 aprily 2023

Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka

SABOTSY


Tononkira fidirana

1 Pier. 2, 9


Ry vahoaka navotana ô, torio ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala amin’ny haizina hankeo amin’ny fahazavana mahagaga. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 6, 1-7


Dia nifidy fito lahy feno ny Fanahy Marina izy ireo.

Tamin’izany andro izany, rahefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahîna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro ny mpitondratena tao aminy. Ka novorîn’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: “Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra. Koa amin’izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany; ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.” Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidîny i Etiena, lehilahy feno finoana sy Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia. Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana. Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 1-2. 4-5. 18-19


Fiv.: Homba anay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo.
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy, sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 16-21


Nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina izy ireo.

Nony hariva ny andro, taorian’ny fampitomboana ny mofo, dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa, ka niondrana tamin’ny sambo kely ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa, ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. Fa hoy Izy taminy: “Izaho ihany fa aza matahotra.” Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo: mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Jo. 17, 24

Ray ô, ireo nomenao Ahy, tiako ho eo amiko amin’izay hitoerako mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao hatao ho fahatsiarovana Azy mba hampitombo ny fitiavanay Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0689