Sorona Masina ny Alarobia 19 aprily 2023

Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Salamo 17, 50 ; 21, 23


Hidera Anao eto anivom-pirenena aho, ry Tompo, sy hitory ny Anaranao amin’ireo havako. Aleloia!


Fangatahana

Ankalazainay isan-taona ny mistery namerenana aminay olombelona ny voninahitray fahiny, ka hahazoanay manantena hitsangan-ko velona; koa mitalaho an-tanan-droa aminao, Tompo be indrafo, izahay: enga anie izay ankalazainay ara-pinoana mba hankafizinay lalandava.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 5, 17-26


Indreo ry zareo nataonareo an-tranomaizina ireny fa ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona.

Tamin’izany andro izany, dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka. Nasainy nosamborina ny Apôstôly, dia nataony an-tranomaizina. Fa nony alina kosa, dia nisy Anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe: “Mandehana mankao amin’ny tempoly, ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin’izany fiainana izany.” Rahefa nandre izany izy ireo, dia niditra marainakoa tao amin’ny tempoly ka nampianatra. Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrina mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely, ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apôstôly. Dia nandeha ny iraka, nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony, ka lasa niverina nilaza izay hitany nanao hoe: “Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana; kanjo nony novohanay, tsy nisy olona tao anatiny.” Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany. Fa tamin’izay kosa intý nisy olona anankiray tonga nilaza tamin’izy ireo hoe: “Indreo ry zareo nataonareo tao an-tranomaizina ireny, ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona.” Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao hotorahan’ny vahoaka vato.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.


Fiv.: Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny, ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo; sambatra ny olona mifefy aminy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 3, 16-21


Andriamanitra naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny alalany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra Avo indrindra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny hahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Jo. 15, 19. 16.

Nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo, ary nanendry anareo handeha amin’izay hanirahako anareo, ka hiavosa sy haharitra ny vokatrareo. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo: ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093