Sorona Masina ny Alatsinainy 17 aprily 2023

Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Rôm 6, 9


Efa nitsangan-ko velona i Kristy ka tsy ho faty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Aleloia!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao, ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 4, 23-31


Nony avy nivavaka izy ireo dia feno ny Fanahy Masina, ka nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.

Tamin’izany andro izany, rahefa nosamborin’ny Jody i Piera sy i Joany ka nalefany dia lasa niverina tany amin’ny namany ka nanambara tamin’izy ireo izay nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy. Vao nandre izany kosa ireto rahalahiny, dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: “Tompo ô! Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy. Ianao no niteny tamin’ny Fanahy Masina sy tamin’ny vavan’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: nahoana no nitabataba ny firenena, ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka? Niodina ny mpanjakan’ny tany, ary niray tetika ny andrian-dehibe mba hanohitra ny Tompo sy i Kristîny. Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’itý tanàna itý i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny jentily hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao, ka nahatanteraka izay notendren’ny tananao sy ny lahatrao rahateo hatao. Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa, sady ahinjiro ny tananao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin’ny Anaran’i Jesoa Mpanomponao masina.” Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 2, 1-3. 4-6. 7-9


Fiv.: Sambatra izay rehetra mifefy amin’ny Tompo.

Ahoana no mihotakotaka ireo firenena, na mihahohaho foana ireo vahoaka, no mitraka ny mpanjakan’ny tany, no miara-mioko ny andriana, mba hanohitra ny Tompo sy hanohitra Ilay Voahosony? Tapahontsika ny rohiny!
Mihomehy Ilay mitoetra any an-danitra; mikizaka fotsiny ny Tompo dia mamely ireo lehibeny amin-katezerana, sy manamongo azy amin-kavinirana. Izaho no mametraka Azy ho Mpanjaka eo Siôna vohitro masina!
Koa ambarako ny didin’ny Tompo: Zanako Ianao, hoy Izy, mantsy Ahy: Izaho no niteraka Anao androany! Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena, sy ho fanananao ny faran’ny tany! Poteho amin’ny tehim-by ireny; ataovy fanamontsana vilany tany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 3, 1-8


Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody. Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: “Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.” Ary hoy i Nikôdema taminy: “Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray?” Fa hoy i Jesoa: “Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana; fa Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Jo. 20, 19

Nijoro teo ampovoan’ny mpianany i Jesoa ary nanao tamin’izy ireo hoe: «Homba anareo anie ny Fiadanana.» Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lò ho enim- boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082