Sorona Masina ny Alahady 16 aprily 2023

ALAHADY FAHAROA - Taona A fankalazana ny Paka 

MIFALIA SY MIFANKATIAVA AO AMIN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

1 Pi. 2, 2

Toy ny zaza vao teraka ianareo, koa maniria ny rononom-panahy tsy misy fangarony, mba hitomboan’ny famonjena aminareo. Aleloia.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mamindra fo lalandava ô, mamelombelona ny finoanay vahoakanao masina Ianao amin’izao fitsingerenan’ny fankalazana ny Paka izao; ka mba ampitomboy ny fahasoavana nomenao hahalalanay mazava tsara ny rano nanadiovana anay, ny Fanahy niterahana anay ary ny Ra nanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 2, 42-47

Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra.

Nazoto ireo mpino tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra. Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra. Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra, sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy. Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo ny olom-bonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 117, 24. 13-15. 22-24

 

Fiv.: Miderà ny Tompo, fa tsara fo Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

Valion’i Israely manontolo: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’ny fokon’i Aarôna: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’ny matahotra ny Tompo: Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Naronjiny aho mba ho lavo; ny Tompo kosa namonjy ahy. Ny Tompo no heriko sy tanjako; izy no Mpamonjy ahy.
Injao hobin-kafaliana manakoako ao amin’ny fonenan’ny olo-marina; hoy ny antso fandresena: Ny tanan’ny Tompo naneho hery. Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo; ny tanan’ny Tompo naneho hery! Tsy maty aho fa velona hitanisa ny asan’ny Tompo.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pi. 1, 3-9

 

Niteraka antsika ho amin’ny fanantenana velona ny Tompo noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona.

Ry kristianina havana, hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana, ho amin’ny famonjena izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany. Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorian’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo, na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra, sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 20, 19-31

Nony afaka hateloana dia tonga i Jesoa.

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”. Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana”.

Fa i Tômà, ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: “Efa nahita ny Tompo izahay”. Fa hoy izy tamin’ireo: “Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho”.

Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Ary hoy Izy tamin’i Tômà: “Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehafo eto amin’ny tratrako, dia minoa, fa aza malain-kino”. Dia namaly i Tômà ka nanao hoe: “Tompoko sy Andriamanitro!” Fa hoy i Jesoa taminy: “Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino”. Maro koa ny fahagagana nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mangataha mba hisy fihavaozana ara-panahy tena izy eo amin’ny olombelona rehetra amin’izao andro masina maromaro fankalazana ny Paka izao.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Betsaka ankehitriny ny mandà ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy; maro koa ireo tsy te hiankina aminy eo amin’ny tolom-panafahana sy fampanjakana ny marina imasoany: koa mivavaha ho an’ny Eglizy mba ho hainy ny manolotra amin’ny olona ankehitriny an’i Kristy Andriamanitra Tompo mitantana ny zavatra rehetra.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra fanjakana mikatsaka ny soa ara-nofo ho an’ny vahoaka, mba tsy hisakana ny tena hasambarana miorina eo amin’ny finoana an’Andriamanitra ,
* Hafaliana sy fanantenana, ny Paka amintsika kristianina; koa mivavaha ho an’ireo rehetra tsy manan-kifaliana sy tsy manan-kantenaina, mba hisy olona hanatona azy ireny amin’ny fitiavan’i Kristy nitsangan-ko velona.
* Mila ampiantsika amin’ny fivavahana sy amin’ny ohatra omentsika ireo vao natao Batemy; koa mangataha mba tena hanampy azy isika, hinoany an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Kristy Tompo ô, fantatrao fa malemy izahay ary fatra-pisalasala; koa hazavao sy herezo tahaka an’i Masindahy Tômà, ary ampio hiaiky fa Ianao irery no Tompo sy Andriamanitra velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny fanatitra atolotray vahoakanao (sy ireto vao naterakao); fa nahazo aim-baovao izahay, satria mankatò ny Anaranao ary vita Batemy, ka enga anie hahazo ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka I.

 

Kômonio

Jo. 20, 27

Hoy i Jesoa tamin’i Tômà: Ataovy eto ny tananao, tsapao ny diam-pantsika; ary aza malain-kino fa minoa. Aleloia.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny Sakramenta raisinay amin’izao Paka izao, mba hisy vokany maharitra ao am-ponay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783