Sorona Masina ny Talata 11 aprily 2023

Herinandro fankalazana ny Paka

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sir. 15, 34

 

Fahendrena no rano nomen’ny Tompo hosotroiny; Izy Tompo no vatolampy tsy hihontsona eo aminy ary hanandratra azy mandrakizay. Aleloia.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, omenao fanafody vokatry ny Paka izahay vahoakanao, koa rotsahy fahasoavana mandrakariva mba hahazo ny fahafahana lavorary sy ny hasambarana any an-danitra fototry ny hafaliana efa santarinay etý an-tany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 2, 36-41

 

Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.

Tamin’ny andro Pantekôty, dia niteny tamin’ny Jody i Piera nanao hoe: “Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny i Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany: “Inona àry, ry rahalahy, no hataonay?” Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: “Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rahefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitra koa.” Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: “Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’itý taranaka ratsy itý.” Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 32, 4-5. 18-19. 20 sy 22

 

Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo, ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany, ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy, sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Ny fanahinay manantena ny Tompo. Mpitahy anay Izy sy ampinganay! Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Itý no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 20, 11-18

 

Nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.

Tamin’izany andro izany, nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria. Ary teo am-pitomaniana, dia nitanondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny Vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy: “Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?” Ka hoy izy namaly ireo: “Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.” Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy: “Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?” Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: “Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Ry Maria!” Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: “Rabony” (izany hoe Mpampianatra). Ary hoy i Jesoa taminy: “Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” Dia lasa i Maria Madelena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: “Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Tsy asiana IZAHO MINO …

 

Vavaka Fanolorana

Enga anie ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitray fianakavianao, ka mba tohano sy arovy izahay hahatahiry izay noraisinay ary ho tody any amin’ny soa omenao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka I

 

Kômonio

Kôl. 5, 1-2

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, ny zavatra any ambony katsahina, fa any no itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra; eny, ny zavatra any ambony ankafizina. Aleloia.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Henoy izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, ary enga anie ny fonay fianakavianao, efa nomenao fahasoavana lavorary tamin’ny Batemy, mba hataonao mendrika ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082