Sorona Masina ny Talata 04 aprily 2023

Herinandro Masina

TALATA MASINA


Tononkira fidirana

Salamo 26, 12


Aza avela hanaram-po amiko ny rafiko, ry Tompo, fa indreo mitsangan-kamely ahy ireo vavolombelona mpitomboka mirehidrehitra miampanga ahy.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy tsara fankalaza ny fijalian’ny Tompo izahay, mba ho mendrika hamindranao fo.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 49, 1-6


Hatsangako ho fahazavan’ny firenena Ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.

Mihainoa ahy, ry nosy; mitandrema ianareo, ry firenana lavitra! Ny Tompo efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny. Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany amin’ny aloky ny tanany aho, nataony zana-tsipîka maranitra aho; nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipîkany. Ary hoy Izy tamiko: “Mpanompoko ianao, ry Israely, izay hataoko reharehako.” Dia hoy kosa aho: “Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; fa ao amin’ny Tompo ny rariny ananako; ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.” Ary ankehitriny miteny ny Tompo izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho, ary Andriamanitro no heriko. Hoy Izy: “Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israey; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15 sy 17


Fiv.: Mitanisa tontolo andro ny vonjinao ny vavako.

Ianao no ifefeko, ry Tompo! Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay mandrakizay. Afaho noho ny fahamarinanao; itongilano sofina ka vonjeo.
Aoka Ianao ho vatolampy fialofako, ho trano-mafy mahavonjy! Eny, Ianao no haram-bato, sy toera-mafy, ho ahy, ry Andriamanitro ô!
Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra, fanantenako hatra ny fahakeliko. Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko; hatrany an-kibon’i neny, Ianao no Mpiaro ahy.
Ny fiderana Anao tovonako hatrany, ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao. Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 13, 21-33. 36-38


Hamadika Ahy ny anankiray aminareo... Alohan’ny maneno akoho dia handà Ahy intelo ianao.

Tamin’izany andro izany, niara-nisakafo tamin’ny mpianany i Jesoa; ary nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo.” Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa, no teo anilany niankina tamin’ny tratrany, ka nanatsika azy i Piera nanao taminy hoe: “Iza ilay lazainy izay?” Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: “Iza moa izany, Tompoko?” Ary hoy i Jesoa hoe: “Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin’ny ro no izy.” Dia natsobony ny mofo ka natolony an’i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna. Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy Iskariôta dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy: “Ataovy haingana izay ataonao.” Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: “Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.” Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy dia nivoaka niaraka tamin’izay. Efa alina ny andro tamin’izany. Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: “Nomem-boninahitra izao ny Zanak’Olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’ no lazaiko aminareo koa ankehitriny.” Hoy i Simôna Piera taminy: “Ho aiza Ianao, Tompoko?” Dia hoy i Jesoa: “Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao.” Ary hoy i Piera taminy: “Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.” Fa hoy i Jesoa: “Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, jereo amin’ny fo tony ny Sorona atolotray fianakavianao, ka noho izahay efa nekenao hisantatra ny fanomezanao masina dia ataovy mahazo ny lavorary tanteraka.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo II


Kômonio

Rôm. 8, 32

Tsy nandala ny tena Zanany Andriamanitra fa nahafoy Azy ho antsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Henika ny fanomezanao mahavonjy izahay, ry Tompo, ka enga anie ny Sakramenta tianao hamelomana anay etý an-tany mba hahamendrika anay hahazo anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082