Sorona Masina ny Asabotsy 01 aprily 2023

Karemy — Herinandro faha-5

SABOTSY

Tononkira fidirana

Salamo 21, 20. 7.


Ianao, ry Tompo, aza mandao ahy! Ry heriko ô, faingàna hamonjy ahy! Izaho moa kankana fa tsy olona, fanarabin’olona, fanesom-bahoaka.


Fangatahana

Andriamanitra ô, tsy mitsahatra mamonjy ny olombelona Ianao; nefa kosa ankehitriny asianao tombony ny hafaliana sy ny fahasoavana omenao ny vahoakanao; koa topazo maso miantra ireto voafidinao ary ampio sy arovy fa be fitiavana Ianao, ka tohano ireto vita Batemy sy ireo mbola hatao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 37, 21-28


Ataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany izy ireo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny. Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany, eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa. Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra, hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo! I Davida mpanompoko no ho Mpanjakany ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany. Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho filohany mandrakizay. Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Ny fonenako, ho eo ambonin’izy ireo. Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho vahoakako. Dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Aho manamasina an’i Israely, rahefa eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Jer. 31, 10. 11-12ab. 13


Fiv.: Hiambina antsika toy ny mpiandry ondry miandry ny ondriny ny Tompo.

Henoy ny tenin’ny Tompo, ry firenena, ka ambarao an’ireo nosy any lavitra! Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona, ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.
Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba, sy hanavotra azy amin’ny tanan’ny mahery noho izy ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin’ny havoan’i Siôna.
Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy; ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana. Ny fisaonany hampodìko ho haravoana, hafaliana no hatambiko ny fahoriany.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 11, 45-56


Ho faty i Jesoa mba hamory ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra izay efa niely.

Tamin’izany andro izany, maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy. Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa. Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: “Inona itý ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny? Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika.” Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany fotoana izany: “Tsy mahalala na inona na inona ianareo, na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo.” Tsy avy aminy anefa no itenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa, ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray. Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo. Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena. Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny tempoly hoe: “Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, havaozinao amin’ny Batemy izahay mba ho velona mandrakizay hankatò ny Anaranao; koa raiso ny fanatitra amam-bavaka ataonay mpanomponao ary toavy faniriana sy diovy izahay manantena Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo I


Kômonio

Jo. 11, 52

Natolotra i Kristy mba hampiray ireo zanak’Andriamanitra efa niely.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, mitalaho an-tanan-droa aminao avo indrindra izahay fa nofahananao tamin’ny Vatana sy ny Ra masin’i Kristy ka ataovy miombona anjara amin’ny fomba maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733