Sorona Masina ny Zoma 31 martsa 2023

Karemy — Herinandro faha-5

ZOMA

Tononkira fidirana

 

 

Iantrao aho, ry Tompo, fa mijaly; afaho amin’ny fahavalo sy ny mpanenjika! Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho, satria miantso Anao.

 

Fangatahana

Mba avelao, ry Tompo, ny heloka vitanay vahoakanao; voafatotry ny fahotana izahay fa osa sy malemy, ka enga anie havotanao fa tsara fo Ianao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 20, 10-13

 

Momba ahy toy ny lehilahy mahery ny Tompo.

Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: “Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy!” Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko manao andry maso ny diako: “Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.” Ny Tompo anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin’ny fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina. Ry Tompon’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina, izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an’ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny adiko. Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo, fa manafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 17, 2-3a. 3bd-4. 5-6. 7

 

Fiv.: Nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitro aho, ka henony ny feoko.

Mamiko Ianao, ry Tompo, izay heriko, Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy. Andriamanitro mpanafaka sy haram-bato fialofana.
Ampinga sy tandro-pamonjena, fiarovana avo ho ahy! Dera ho an’ny Tompo, hoy aho, fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!
Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho; efa nampihorohoroan’ny riakan’i Beliala; efa voadiditry ny rohin’ny Seoly; efa voatsenan’ny haraton’ny fahafatesana!
Ambivitra aho: ka niantso ny Tompo, nitaraina tamin’ny Andriamanitro. Henony tany an-Tempoly ny feoko, tody tao an-tsofiny ny antsoko.

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 10, 31-42

 

Nitady hisambotra Azy izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.

Tamin’izany andro izany, dia naka vato hitorahana an’i Jesoa ny Jody, fa hoy Izy tamin’izy ireo: “Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?” Dia hoy ny Jody namaly Azy: “Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo: Hoy Izaho: andriamanitra ianareo? Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny tetý ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho? Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo; fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te-hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.” Tamin’izay, dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy. Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany. Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: “Tsy nanao fahagagana i Joany; nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.” Koa maro no nino Azy teo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vakinteny hafa azo ifidianana

 

Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra be famindram-po ô, mba omeo toetra mendrika hanolotra Sorona eto amin’ny ôtelinao izahay ka hahita vonjy fa mandray anjara eto mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fijalian’ny Tompo I

 

Kômonio

1 Pier. 2, 24

I Jesoa nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany, teo ambony Hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hiaro anay mandrakizay ny Kômonio masina ary hampanalavitra an’izay rehetra mety hanimba anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081