Sorona Masina ny Alahady 26 martsa 2023

ALAHADY FAHA-5 - Taona A KAREMY

I KRISTY NO FIAINANA SY FANANGANANA HO VELONA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 42, 1-2

Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ombao amin’ny ady ataoko, hanoherako ny firenena tsy mivavaka, fa Ianao no Andriamanitra mandako.


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nanolo-tena ho faty ny Zanakao fa fatra-pitia an’izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay: mba ampio hizotra faingana hankany aminy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 37, 12-14

Homeko anareo ny fanahiko dia ho velona ianareo,

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Indro Aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely. Ary dia ho fantatrareo fa ny Tompo Aho, rehefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako. Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona ianareo, sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo ka dia ho fantatrareo fa Izaho Tompo dia milaza sy manatanteraka koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 129, 1-2. 3-4ab, 4d-6, 7-8


Fiv.: Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo.

Anaty hantsana aho no miantso Anao: Tompo ô, henoy ny feoko!
Aoka ny sofinao hitandrina itony feoko mitoreo.
Raha mitsikilo heloka Ianao, ry Tompo, Tompo ô, iza no hahatanty? Kanefa ao aminao ny famelàna mba hieken’ny olona Anao.
Koa manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; miandry ny Tompo ny fanahiko manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina, i Israely aoka hiandry ny Tompo: fa ny fitiavana no ao amin’ny Tompo: ny fanavotana lehibe no ao aminy. Eny, Izy no hanavotra an’i Israely amin’ny helony rehetra.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm, 8, 8-11


Ny Fanahin’Ilay nanangana an’i Jesoa ho velona no ao anatinareo.

Ry kristianina havana, izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra. Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy; fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny Izay mitoetra ao anatinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izay mino Ahy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 11, 1-45 (lava) na 3-7, 17, 20-27, 33b-45 (fohy)

Izaho no fananganana sy fiainana.

Raha ny fohy no atao, dia avela ny anatin’ny […]

Tamin’izany andro izany, [nisy lehilahy anankiray narary atao hoe i Lazara, avy any Betania, vohitr’i Maria sy i Marta rahavaviny. I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary]

Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa ireo anabavin’i Lazara hilaza hoe: “Tompo, marary ilay tianao”. Nony ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy: “Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra. Ary tian’i Jesoa i Maria sy i Marta rahavaviny ary i Lazara. Nefa nony reny hoe marary i Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy. Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany: “Andeha isika ho any Jodea indray”. [Ka hoy ny mpianany taminy: “Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody, ka dia hankany indray ve Ianao?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina, satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao; fa ny mandeha amin’ny alina no tafintohina, satria tsy manam-pahazavana”. Nony voalazany izany dia nampiany hoe: “Matory i Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy Aho”. Ka hoy ny mpianany: “Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana”. Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin’izy ireo. Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe: “Maty i Lazara, ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy”, Dia hoy i Tômà izay atao hoe Didimo tamin’ny mpianatra namany: “Andeha koa isika mba hiara-maty aminy”.]

Nony tonga tany i Jesoa, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. [Ary i Betania dia tao akaikin’i Jerosalema tokony ho dimy ambin’ny folo stady, ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.] Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano. Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa: “Raha taty Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao”. Hoy i Jesoa taminy: “Hitsangana ny anadahinao”. Fa hoy i Marta taminy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny farandro fitsanganan’ny maty. “Hoy i Jesoa taminy: “Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?” Dia hoy izy: “Eny, Tompoko, mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.

Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe: “Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy”. Vao nandre izany kosa i Maria dia nitsangana niaraka tamin’izay, ka nankao aminy. Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa, fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany. Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe: Lasa hitomany any amin’ny fasana izy. I Maria kosa, nony tonga tao amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy, dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe: “Raha taty Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko”. Nony nahita azy nitomany i Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia...]

Nandevy ny Fon’i Jesoa ary nientana iray ihany ny Tenany rehetra. Ka hoy Izy: “Aiza no nandevenanareo azy?” Dia hoy ireo taminy: “Andeha Ianao hizaha, Tompoko”. Ary nitomany i Jesoa. Dia hoy ny Jody: “Akory ity haben’ny fitiavany azy!” Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo: “Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?” Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa, ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato. Ary hoy Izy: “Esory ny vato”. Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy: “Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay”. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” Dia noesorina ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy”. Rehefa nilaza izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Mivoaha, ry Lazara”. Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona: “Vahao izy ka avelao handeha”. Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, henontsika sy nodinihintsika teo fa i Jesoa Kristy no fananganana sy fiainana; koa mivavaha mba hatsangany ny maty ary hovelominy mandrakizay amin’ny Fanahiny ny velona rehetra.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Mangataha ho an’ny Eglizy, mba hahafahany manohy ny asan’i Kristy mpanangan-ko velona, ka hizarany ny fivalozana sy ny Eokaristia Sakramenta mpanome aina amin’izao Paka efa manakaiky izao.
* Mangataha ho an’ny mpiandraikitra ny raharaham-bahoaka, mba hifarimbona amin’ny Fiangonana, hanao izay hananan’ny olombelona ny Ain’Andriamanitra bebe kokoa hatrany sy hanarahany ny hevitr’Andriamanitra, hampirindra sy hanatsarana ny fiainana eto an-tany,
* Mivavaha ho an’ireo namoy hava-malala, mba hinoany fa hain’i Kristy velomina ireo lasa any an-koatra, ary hotakalozan’Andriamanitra fiononana sy fahasoavana ny fisaonana sy ny fisarahana.
* Mivavaha ho an’ny fiangonantsika mba samy hahavita ny Kônfesy sy ny Kômonion’ny Paka ny mpiangona rehetra, ka hitsangan-ko velona tokoa sy hifoha marina hoentanin’ny Fanahin’i Kristy amin’izao Paka izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Jesoa Kristy Tompo ô, Ianao no fiainanay sy fananganana anay, ary natsanganao i Lazara hanambarànao ny hitsangananao sy ny hanangananao anay hiala amin’ny fahafatesana; koa tolory tana-mamonjy izahay, hanatona Anao sy handray Anao; ka ny Fanahinao Masina anie hamelona anay amin’ny Ainao Andriamanitra, hizoranay any amin’ny fiainana tsy mety maty intsony.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay, Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba henoy izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, ka enga anie izahay mpanomponao nampianarinao ny finoana kristianina mba hodiovin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay tena olombelona, ka nitomany an’i Lazara sakaizany, ary tena Andriamanitra mandrakizay, ka nanangana azy hiala ny fasana; Ilay nitsena ny olombelona, ka nitondra anay amin’ny fiainam-baovao amin’izao zava-masina ankalazainay izao.

Amin’ny alalany dia mitsaoka Anao Avo indrindra ny tafiky ny Anjely sambatra mandrakizay eo anatrehanao; koa avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hifaly hihoby Anao manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Jo. 11, 26

Izay rehetra velona ka mino Ahy tsy ho faty mandrakizay, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: efa nihinana ny Vatana aman-dRan’i Kristy izahay, ka enga anie ho anisan’ny rantsam-batany mandrakariva.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081