Sorona Masina ny Alahady 19 martsa 2023

Taona A - ALAHADY FAHA-4 KAREMY

NY FINOANA AN’I KRISTY NO FAHAZAVANA VAOVAO

Lokon’akanjo: mavokely na volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 66, 10-11

Miravoravoa, ry Jerosalema, mivoria ianareo rehetra manam-pitiavana Azy. Ianareo malahelo, aoka hientan-kafaliana, miravoravoa fa ho dibo-kafaliana ny fonareo.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, fomba mahagaga no nampihavananao ny olombelona aminao tamin’ny alalan’ny Teninao tonga nofo; koa enga anie ny vahoaka kristianina hoentanim-pinoana, hidodododo hankalaza ny Paka efa akaiky.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka
Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 16, 1b, 6-7, 10-13a.

Nohosorana ho Mpanjaka amin’i Israely i Davida.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Samoela nanao hoe: “Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Jese any Betilehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako”. Nony tafiditra izy ireo dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe: “Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo”. Fa hoy ny Tompo tamin’i Samoela: “Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa ny Tompo kosa mijery ny fo”. Nampandalovin’i Jese teo anatrehan’i Samoela koa ireto fito mirahalahy tamin’ny zanany ary hoy i Samoela tamin’i Jese: “Tsy misy nofidin’ny Tompo amin’ireto”. Ary hoy i Samoela tamin’i Jese: “Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?” Dia hoy i Jese: “Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy”. Ka hoy i Samoela tamin’i Jese: “Ampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy”. Dia nampanalain’i Jese io. Mavo mena ny volon’izy izay; sady bary maso izy no tsara tarehy. Ary hoy ny Tompo: “Mitsangàna, hosory io, fa io no izy”. Dia noraisin’i Samoela ny tandroka misy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io: ary hatramin’izany andro izany sy tamin’ny andro manaraka, dia nidina tamin’i Davida ny fanahin’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4, 5, 6.

 

Fiv.: Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inoninona aho, fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany; tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy misy loza atahorako: satria ianao miaraka amiko ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan’ny rafiko: ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no ho fonenako amin’ny taona hifandimby.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 5, 8-14

 

Mitsangàna ho velona, dia hanazava anao i Kristy.

Ry kristianina havana, taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava. Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra. Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra. Aza mba mikambankambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny, satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza; fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra, rehefa voaambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna ho velona, dia hanazava anao i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 9, 1-41 (lava) na 1, 6-9. 13-17. 34-38 (fohy)

Nandeha izy, nanasa ny masony, ka niverina nahiratra.

Raha ny fohy no atao, dia avela ny ao anatin’ny […]

Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba, [ka hoy ny mpianany nanontany Azy: “Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io, sa ny ray aman-dreniny, no teraka jamba izy?” I Jesoa namaly hoe: “Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony. Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro: fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana. Raha mbola amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao”. Nony voalazany izany, dia nandrora tamin’ny tany Izy ka nanao feta tamin’ny rorany, nahosony ny mason’ilay jamba, dia hoy Izy taminy: “Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe” (izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra. Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: “Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?” Dia hoy ny sasany: “Izy io”. Fa hoy kosa ny sasany: “Tsia, fa olona mitovy aminy”. Ary hoy kosa izy: “Izaho no izy”. [Ka hoy izy ireo taminy: “Nanao ahoana no nahiratan’ny masonao?” Dia hoy izy: “Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe: “Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe”, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra”. Ary hoy izy ireo taminy: “Aiza izany Lehilahy izany?” Novaliany hoe: “Asa”.] Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha, fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony. Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy: “Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho”. Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe: “Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata Izy”. Fa ny sasany kosa nanao hoe: “Hataon’ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany?” Koa nisara-kevitra izy ireo. Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba: “Mba ahoana kosa no filazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy?” Ka hoy ralehilahy: “Mpaminany Izy”.

[Dia tsy nety nino ny Jody fa jamba sy vao nahiratra izy, ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra, sy nanontaniany hoe: “Ity va no zanakareo izay lazainareo hoe teraka jamba? Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao?” Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe: “Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; fa tsy fantatray izay nahiratany izao, ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony, ka izy no anontanio fa efa lehibe izy: izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany”. Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagôga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy, ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe: “Izy no anontanio fa efa lebibe izy”.

Dia nantsoin’ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe: “Andriamanitra no omeo voninahitra; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota”. Ka hoy ny navaliny azy: “Tsy fantatro na mpanota izy na tsia, fa izao ihany no fantatro: jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny”. Dia hoy izy ireo taminy: “Inona no nataony taminao? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao?” Ka hoy ny navaliny azy ireo: “Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te-ho tonga mpianany koa va ianareo?” Dia notevatevain’izy ireo izy sy nataony hoe: “Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy. I Môizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany”. Namaly ralehilahy ka nanao hoe: “Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny. Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba; ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory”.] Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe: “Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.

Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe: “Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?” Namaly izy ka nanao hoe: “Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”. Ka hoy izy: “Mino aho, Tompoko”; sady niankohoka nitsaoka Azy izy. [Dia hoy i Jesoa: “Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra, ary ho tonga jamba izay mahiratra”. Ren’ny Farisianina sasany teo izany, ka hoy izy ireo taminy: “Ary izahay ve mba jamba koa?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo”.]

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sarotra amin’izao androntsika izao ny manavaka ny tena sarobidy sy ny ambin-javatra; koa mandritra ity Karemy ity, dia mivavaha mafy mba hohazavain’Andriamanitra isika fa mila ny fanasitranany.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Mangataha ho antsika rehetra zanaky ny Eglizy: Pretra, Relijiozy, Lahika, mba samy ho sahy hitory ny tenin’Andriamanitra, sy hiezaka mba ho taratry ny Fahazavan’i Kristy na amin’ny teny na amin’ny atao.
* Mangataha ho an’ireo mpitondra ary mpikaroka sy olo-mahay: mba tsy ho jamban’ny fandinihana sy ny fahombiazana, fa hahazo ilay Fahazavana vaovao nentin’i Kristy hanatsarana ny fiainantsika sy hanasoavana ny olombelona manontolo.
* Tsarovy ireo havantsika jamba, tsy afaka hahita ny endriky ny olombelona namany sy ny hatsaran’ny zava-boaary; ka mivavaha mba homen’Andriamanitra ny fahazavan’i Kristy izy ireny ka hitantanany ny fiainany araka ny fahamarinana sy ny fitiavana, eo am-piomanany hiditra any amin’ny Fahazavana mandrakizay.
* Be ankehitriny ny olona mijaly ao anaty fisalasalana momba an’i Kristy koa mivavaha mba hampahiratra azy ireny i Kristy sy ny Eglizy ankehitriny, hizorany amin’ny mazava, na ara-nofo na ara-panahy.
* Mba hisy vokany ato amin’ny Fiangonantsika ny Karemy, dia mifampivavaha mba tsy hisy ho jamban’ny fitiavan-tena sy ny henamaso, ary mba hanana saina sy maso vaovao, araka an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, ny nanasitrananao ilay teraka jamba, dia tokony hampahiratra ny olona rehetra amin’ny finoana; be anefa ny mbola jamba, koa arovy ny olombelona ankehitriny mba tsy havezivezin’ny hevitra maro, mitarika azy tsy hahita ny fahamarinanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Faly izahay, ry Tompo, manolotra ny fanatitra loharanom-panafody maharitra mandrakizay; koa mitalaho an-tanan-droa: ampio izahay ho feno finoana sy fanajana hanolotra ny sorona famonjena an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa ny taranak’olombelona nandeha amin’ny maizina dia notarihiny hohazavain’ny finoana tamin’Izy naka nofo, ary ireo teraka voan’ny fahotana tamin’ny fototra dia natsangany ho zanakao amin’ny rano manome aim-baovao.

Noho izany ny tany aman-danitra dia miara-miredona hira mba hitsaoka Anao, ary izahay koa miaraka amin’ny tafiky ny Anjely rehetra, mankalaza Anao lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Jo. 9, 11

Ny Tompo no nanao feta nanosorany ny masoko; nisasa aho, dia nahiratra, ary ankehitriny aho mino.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, hazavainao avokoa izay olombelona tonga amin’izao tontolo izao, koa mba hazavao amin’ny fahasoavanao mamirapiratra ny fonay, tsy hikendry afa-tsy izay mendrika Anao sy mahafaly Anao Avo indrindra, ary ho tia Anao amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078